• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Supersmart
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fitandrovana ny fahasalaman’ny maso : tsy azo atao ambanin-javatra

09/10/2025 10:06 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny alakamisy faharoan’ny volana oktobra ny andro manerantany ho an’ny maso. Mifantoka manokana amin’ny maha zava-dehibe ny fikolokoloana ny maso moa izany. Maro tokoa mantsy ny olona marary maso nefa dia azo sorohana na tsaboina ny ankamaroan’izany. ‘Ndeha àry ho resahana eto ireo torohevitra tsara harahana hitandrovana ny fahasalaman’ny maso.

Mizaha maso matetika any amin’ny mpitsabo maso

Fahazarana manampy indrindra amin’ny fitandrovana ny fahasalaman’ny maso ny fandehanana mizaha maso indray mandeha isaky ny roa taona. Na dia mahatsapa fa tsy manana olana aza amin’ny fahitana dia ilaina io fizahana maso io mba hafahana mahita mialoha raha sanatria misy areti-maso sarotra.
Maro tokoa mantsy ireo olan’ny maso, toy ny « glaucome » na ny « dégénérescence Maculaire » avy amin’ny fahanterana, izay mihombo nefa tsy misy fambara manokana amin’ny voalohany. Eo amin’ny ankizy dia mila hita mialoha ny areti-maso, toy ny « myopie », « astigmatisme »… mba hahamora ny fanarenana izany sy mba tsy hisy fiantraikany amin’ny fianarany.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana hikoloana ny fahasalaman’ny maso

Misy fiantraikany mivantana eo amin’ny fahasalaman’ny maso ny sakafo hoanina amin’ny fiainana andavanandro. Misy amin’ireo otrikaina sasany hita ao anatin’ny sakafo no manampy amin’ny fampihenana ny « risque » hahavoan’ny areti-maso toy ny « cataracte » :
-Ny « antioxydants », toy ny vitamines C sy E, ny zinc, sy ny lutéine dia tena mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalaman’ny maso. Ny voankazo miloko marevaka, ny atody sy ny legioma raviny no tena manankarena azy ireny.
-Ny « oméga-3 ». Ireo « acides gras essentiels » hita ao anatin’ny trondro matavy, ny « noix », dia tena ilaina amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny « rétine » ary manampy amin’ny fisorohana ny fahamainan’ny maso.

Mampihatra fahazarana tsara manoloana ny « écran » sy ny masoandro

Amin’izao vanim-potoana mampiroborobo ny nomerika izao dia miasa mafy kokoa ny masontsika. Ny masoandro ihany koa etsy andaniny manampy trotraka. Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny maso ary dia :
-Mila mijery zavatra lavitra, eo ho eo amin’ny 6m, eo ny maso isaky ny 20 minitra ary mandritra ny 20 segondra, indrindra ho an’ireo miasa amin’ny solosaina na mijery « écran » mandritra ny fotoana maharitra ;
-Amboarina ny « réglages » ny « écran » ampiasaina. Izany hoe, ahena ny hazavan’ny « écran » ary raha azo atao dia mampiasa « filtre anti-lumière bleue ». Tsara ihany koa raha mihezaka mikipy matetika mba hanamandinana ny maso (cornée) ;
-Miaro tena amin’ny taratry ny masoando. Na manga na manjobona ny lanitra dia tsara hatrany ny manao « lunettes de soleil » tsara kalitao mba hisorohana ny fahasimban’ny maso ateraky ny « ultraviolets » rehefa any aoriana.

Lire la suite

Articles Similaires