Noana lava : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Maro amintsika no mahatsiaro noana lava. Mety mahamenatra, mandany vola, miteraka olana ara-pahasalamana moa izy io rehefa ela ny ela. Rarintsaina, tsy fahampiana proteina, fikorontanan’ny hormonina… maro ireo antony mety mahatonga izany. Andeha ary ho resahana eto ny mikasika ny fahatsapana noana lava sy ireo torohevitra manampy hamerana izany.
Ireo antony lehibe mahatonga ny fahatsapana noana lava
Mahatsapa noana lava na hoe tsy mety voky ve na dia efa misakafo be aza ? Maro ireo antony mety mahatonga izany, ka anisan’izany ny :
Rarintsaina
Mety misy fiantraikany amin’ny fahazotoan-komana ny rarintsaina. Miankina amin’ny olona tsirairay sy ny karazana rarintsaina moa izany. Eo amin’ny ankamaroan’ny olona, ny rarintsaina lalina dia mety mampalain-komana. Ny rarintsaina maharitra na « chronique » kosa dia mampazoto homana na hoe maha noana lava. Rehefa misy rarintsaina ny olona iray dia misy hormonina iray manova ny fahatsapana hanoanana ao amin’ny vatana. Io hormonina io mahatonga ny fahatsapana noana lava na dia efa misakafo be aza.
Tsy fahampiana proteina
Ny proteina ihany koa dia isan’ireo anton-javatra mampikorontana ny fahatsapana hanoanana ao amin’ny vatana. Ny tsy fahampiana azy io dia mampiakatra be tampoka ny « insuline » ary mampihena ny hery. Ankoatra izay dia lasa mahatsiaro noana lava tsy toy ny mahazatra ilay olona.
Fikorontanan’ny hormonina
Antony iray lehibe mety mahatonga ny olona ho noana lava ihany koa fikorontanan’ny hormonina. Rehefa midina be na miakatra be ny hormonina atao hoe « ghréline » sy « leptine » ao amin’ny vatana dia mety lasa manakorontana ny fomba fisakafoanana. Izany hoe mety ho lasa kamokamo misakafo rehefa noana na mety tsy mahavita mijanona misakafo na efa voka aza. Mety mampitombo ny fahatsapana noana lava ihany koa izany.
Ireo torohevitra manampy mba tsy hahatsapana noana lava
Misy ireo fahazarana tsara harahana mba hisorohana ny hanoanana lava. Anisan’izany ny :
-Ny fihinanana proteina isaky ny misakafo (repas). Mety izany ho hena, akoho na vorona, trondro, fromazy, soja… Rehefa amin’ny sakafo maraina dia afaka mihinana yaourt nature ohatra ;
-Misakafo milamina sy tsy maimaika. Apetraka avokoa ireo zavatra mety manelingelina, toy nyfinday, solosaina, fahitalavitra… Mifantoka amin’ny sakafo hoanina, ny tsirony sy ny endriny. Hoanina miadana ny sakafo, eo amin’ny 20 minitra eo vao mahatsapa voky amin’ny ankapobeny ;
-Misotro rano tsara manditra ny tontolo andro ;
-Tsy mandingana fotoana fisakafoanana ary ezahana tsy ovaovaina ny ora hisakafoanana ;
-Miezaka manamboatra saina hiadiana amin’ny rarintsaina.