• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Le Soleil
Image
Asa & Fianarana

Fiainan-tokantrano : mety ve ny renim-pianakaviana miasa ?

08/03/2023 07:10 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ny renim-pianakaviana miasa ary mandray anjara amin’ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Eo amin’ny fiarahamonina malagasy anefa mbola maro ireo mieriteritra fa ny andraikitry ny vehivavy dia mijanona amin’ny fikarakarana ny ankohonana irery ihany. Inona avy ary anefa ireo lafy tsara ny hoe renim-pianakaviana miasa ?

Renim-pianakaviana miasa, mampitombo ny fidiram-bola ao an-tokantrano

Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-piainana raha ny eto Madagasikara manokana no resahina. Matetika tsy ampy hamelomana ny ankohonana intsony ny karaman’ny raim-pianakaviana samirery. Manampy betsaka amin’ny fidiram-bola ao an-tokantrano noho izany ny renim-pianakaviana miasa. Afaka misahana ny fandaniana tandrify azy izy, na kely na betsaka ny karamany na ny vola ampidiriny. Mihamaivana kokoa ny fahasahiranana ara-bola rehefa mifanampy ny mpivady amin’ny fitadiavana. Rehefa mitombo ihany koa ny vola miditra ao an-tokantrano dia afaka manakarama mpanampy an-trano ny mpivady mba hanao ireo raharaha ilaina ao amin’ny ankohonana.

Renim-pianakaviana miasa, ohatra tsara ho an’ny zanaka vavy

Samy manana zo hianatra avokoa na ny lahy na ny vavy. Tsy vitsy ireo tovovavy no mifofotra mianatra mba ahazoana diplaoma sy asa tsara rehefa any aoriana. Maro ireo vehivavy no miasa rehefa izy mbola tsy manambady. Misy amin’izy ireny ary no mitana andraikitra tsara ao amin’ny orinasa iasany. Misy anefa ireo renim-pianakaviana miasa no misafidy na voatery ny hiala amin’ny asany rehefa avy miteraka. Tsara ny mikarakara ny zanaka sy ny tokantrano, nefa kosa tsy tokony atao sakana tsy hiasana izany. Ny zanaka vavy ihany koa mandinika. Ho mora amin’izy ireny ny mifofotra mianatra sy manao izay hafany rehefa hitany ireo tombotsoan’ny hoe renim-pianakaviana miasa.
Mora mahaleo tena kokoa ny ankizy rehefa miasa ny renim-pianakaviana
Manampy ny zanany ho mora mahaleo tena kokoa ny renim-pianakaviana miasa. Ankehitriny efa maro ireo fomba afaka atao hikarakarana ny zazakely rehefa miasa ny reniny. Ohatra amin’izany ny fampiasana mpitaiza an-trano na ny fandehanana amin’ireny toeram-pitaizana zazakely toy ny “crèche” ireny. Tsy miankin-doha ela be amin’ny mamany ny ankizy kely zatra izany fitaizana izany. Matetika izy ireny dia mora mahay madio, mahay mamahan-tena… Na dia eo aza anefa izany fahaleovantenan’ny zaza izany, tsy azo atao ambanin-javatra ny fanomezana fitiavana sy ny fikarakarana azy. Mila manokana fotoana ikarakarana sy ilalaovana amin’ny zanany ny renim-pianakaviana miasa rehefa mba ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo