• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Talata Volonondry : Tananan'ny fambolena sy fiompiana ary asa tanana

18/03/2025 14:02 © Moov

Raha vao miresaka an'i Talata Volonondry dia koba sy sosisy no tonga ao an-tsaina voalohany. Anisan'ny asa tanana manavanana mponina maromaro tokoa ireo sakafo mafilotra ireo. Misy sehatra hafa mampisongadina io Tanana io ihany koa nefa, dia ny fambolena sy ny asa madinika tena mahavelona.

27 kilometatra miala an'Antananarivo Renivohitra no misy an'i Talata Volonondry. Faritra avaratra no misy azy. Raha hamonjy izany tanàna izany dia mandray ny lalam-pirenena fahatelo mihazo an'Anjozorobe, ka mandalo an'Ambohitrarahaba, Sabotsy, Soavinimerina, Antanambao sy Ambohidrabiby.

Mponina mihary

Koa satria tanàna ambanivohitra i Talata Volonondry, mpamboly sy mpiompy ny ankabeazan'ny mponina ao. Saika manana tanimboly/ tanimbary sy/na biby fiompy ny mponina ao. Na rehefa andron'ny tsena na andavan'andro, maro ireo tantsaha mivarotra biby fihinana sy legioma/ voankazo isan-karazany. Isaky ny talata, andron'ny tsena moa dia maro ireo avy amin'ireo tanàna manodidina sy avy aty an-drenivohitra no maka maro ireo vokatra amidy. Amin'ny 3 ora maraina dia efa misy tantsaha mamelatra entana.
Araka ny fanambaran'ireo tompon'andraikitra ao an-toerana, anisan'ireo toerana tena mpamokatra tongolo i Talata Volonondry. Mamatsy ny tsena any an-toerana sy eto Antananarivo sy ny manodidina mantsy ireo mpamokatra. Tsy dia mamokatra loatra ny tany, ka ireo vokatra mora ambolena no tena ifantohan'ny tantsaha. Misy ihany ireo mamboly legioma isan-karazany, saingy tsy natao amidy fa atao sakafo andavan'andro. Be tanimbary ihany koa ao Talata Volonondry, izay sady iveloman'ireo mpamboly no amidy. Manafatra entana avy any an-drenivohitra ihany nefa ny mponina ao, indrindra ireo sakafo ilaina amin'ny andavan'andro : siramamy, kafe, menaka, sns. Tsy mifanalavitra amin'ny eto Antananarivo kosa nefa ny vidin'entana amin'ny ankapobeny.
Noho ny fandrosoana sy ny filàna mizarazara, tsy mionona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ihany ireo mponina ao an-toerana. Misy ireo misafidy ny hikirakira sakafo vita amin'ny akora avy ao an-toerana ihany. Tafiditra amin'izany ohatra ny fanodinana voanjo hahazoana koba, na ny hena ho lasa sosisy. Ireo no tena malaza, fa misy ihany koa manodina mangahazo ho lasa mofo isan-karazany. Misy indray ireo maka entana any an-drenivohitra, mba hivarotana ireo zava-baovao na entana tsy fahita firy ao an-toerana : fitaovana fidiovana, akanjo friperie, firavaka, sns. Tsy voatanisa ireo asa madinika ataon'ny mponina, satria samy mampiasa izay fahalalana ananany izy ireo mba hivelomana, arakaraka ny fahafahana eo am-pelatanany.

Toerana milamina sy madio rivotra

Tsy dia lavitra ny renivohitra i Talata Volonondry. Noho izany indrindra, tsy vitsy ireo mponin'Antananarivo no mitsidika io toerana io, indrindra moa fa raha te hanandrana koba sy sosisy ihany aza. Maro kosa ireo mijerijery ny tanàna manodidina, ka mitsidika ny Rovan'Ambohimanga avy eo. Tsy mifanalavitra firy mantsy ny toerana, indrindra ho an'ireo izay mitondra fiara manokana na kodiarandroa.
Na dia akaiky vohitr'Andriana aza i Talata Volonondry, tsy dia misy loatra ny fadifady eny an-toerana. Samy hita eny an-tsena avokoa na omby na kisoa. Mampiasa kisoa avokoa ny ankamaroan'ireo mpanao sosisy mivarotra amin'ireo mpitsidika sy mpandalo. Tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka hono mantsy, ny Mpanjakan'Ambohidrabidy Ralambo no nampiditra ny omby tao an-toerana.
Tsikaritra fa efa tena mandroso ny tanàna, indrindra ny manodidina ny Lapan'ny Tanàna sy ny Tsena. Efa manaraka ny rafitra maoderina ny ankamaroan'ireo trano ao an-tanàna. Vitsivitsy ihany sisa ireo trano gasy tazana, afa-tsy any amin'ireo tanàna tsy tongan'ny fiara.

Lire la suite

Articles Similaires