Ramorabe : Mpanjaka vehivavy mahery fo sady be fandeferana
Tamin'ny taonjato faha-17 tany ho any no nanjakan-dRamorabe tao Ambohidratrimo, taorian'ny nanjakan-dRatrimo.
Raha tsiahivina, tamin'ny taona 1 150 no nahatongavan'i Ratrimo tao Marovatana. Nomeny ny anarana hoe "Ambohidratrimo" io vohitra nitoerany avy eo. Anisan'ireo Mpanjaka nandimby an-dRatrimo i Ramorabe. Izy no mpanjaka vehivavy tokana tamin'ireo nanjaka tao amin'ny vohitr'Ambohidratrimo.
Ramorabe, reniben'i Rambolamasoandro
Vehivavy maherifo i Ramorabe. Niaro tanteraka ny fanjakany izy. Tamin'ny andron'Andrianampoinimerina, rehefa nikasa hampiombona ny fanjakana rehetra io Mpanjaka io, dia anisan'ireo vohitra nanano sarotra ny fahazoana azy ny teny Ambohidratrimo. Nandefa ireo miaramilany niady mantsy i Andrianampoinimerina, niverimberina mihitsy, saingy tsy naharesy ny teny Ambohidratrimo. Maro vatan-dehilahy mantsy teny sady nanana mpitari-tafika mahay, dia Ravorombato (nahazo ny solon'anarana hoe Rakotomaditra).
Rehefa nandeha ny fotoana, nifona tamin'i Ramorabe i Andrianampoinimerina. Niaraka tamin'izany dia nangatahiny ho vady i Rambolamasoandro. Vadin'Andrianampoinimerina faha-12 i Rambolamasoandro, ary niterahany ny Mpanjaka Radama I. Tsy tia ady rahateo i Ramorabe na dia niaro ny fanjakany. Noraisin-dRamorabe izany fangatahin'Andrianampoinimerina izany. Rehefa nianiana fa tsy hisy tombo sy ala ny vahoaka eo anatrehany, sady resim-pitiavana an-dRandriambolamasoandro dia tafaray i Imerina enin-toko.
Ramorabe, fangatahana harena sy famahana olana
Araka ireo lovan-tsofina rehetra ireo, heverina fa vehivavy mijoro amin'ny rariny nefa mora fo i Ramorabe. Ireo mpanasina tonga eny Ambohidratrimo dia manantona an'i Ramorabe rehefa tojo olana saro-bahana, na hiatrika zava-dehibe eo amin'ny fiainana. Misy ohatra ireo vehivavy bevohoka no manantona an'i Ramorabe mba ho mora fiterahana, sady tsy hisy sampona ny fandraisana ny zazakely.
Koa satria maromaro ireo Mpanjaka sy akaiky azy ireo milevina ao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo, afaka manoro izay tsara anasinana ny mpiandry lapa, arakaraka ny zavatra tian'ny mpitsidika angatahina.
Rakotomena, zanak'i Randriambolamasoandro manokana
Mpanjaka faha-7 farany tao Ambohidratrimo i Rakotomena. Zanak'i Randriambolamasoandro tamin'ny vadiny taorian'Andrianampoinimerina izy io. I Radama I, zanaka voalohany sady zanaky ny mpanjaka mantsy dia nandimby an'Andrianampoinimerina teny amin'ny vohitr'Ambohimanga. Mbola tanora hono mantsy Rambolamasoandro rehefa niamboho Andrianampoinimerina, ka dia nanambady fanindroany izy.
Ny 6 novambra 1896, fotoana nanafenana ny Mpanjaka Rakotomena, no nisokatra farany ny fasana tao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo.