Doany Ambodisaha Ambohidratrimo : Toeram-pidiovana sy fangataham-pahasoavana
15 km miala ny renivohitra, mandeha amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, no ahitana ny Doany Ambodisaha. Tafiditra ao anatin’ny Kaominina ambany vohitra Ambohidratrimo izy io. Rano fidiovan’ny mpanjaka fahiny no ao, ka lasa doany fandroan’ireo mpangata-pitahiana hiakatra eny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo.
Fidiovana
Isan’ny toerana iray tokony handalovan’ny mpitsidika sy ny mpangata-pitahiana eny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo ity toeram-pidiovana ity. Amin’ny ankapobeny, toy ny toerana « masina » rehetra dia mila midio ny olona vao tokony mangataka. Raha ny fomba malagasy sy ny fomba eny Ambohidratrimo dia eo amin’io Doany eo Ambodisaha io no toerana fandroana, mialoha ny hanasinana eny amin’ny Rova. Aty amin’ny 800 metatra alohan’ny hahatongavana eo amin’ny Kaominina Ambohidratrimo no ahitana azy, raha avy aty Antananarivo.
Dobo lehibe no teo an-toerana tany aloha ela be tany. Efa nasiam-panavaozana izy io ary efa toy ireny lavadrano fantsakana ireny no hita ao ankehitriny. Iray ihany no loharano, saingy mizara telo ny fatsakana. Vao miditra ny Doany dia eo no mivavaka amin’ny Nenibe Ramavo, manaraka izany i Nenibe Ranavalona. Eo ampovoan’ny Doany kosa no ahitana ny Ranom-piraisana izay hangataham-pitahiana amin’ireo fanahy 7 ao Ambohidratrimo. Ao anatin’izany i Ratrimo, Ramorabe, Andrimasinavalona, Ravola, Rakotomaditra, Ravorombato ary i Rakotomena. Raha ny fomba amam-panao dia tokony manome hasina toy ny siramamy na labozia na vola … ireo toerana telo ireo ny mpitsidika rehefa manantena valim-bavaka. Samy angalana moa ireo rano telo ireo rehefa handro ao an-toerana
Fangataham-pahasoavana
Nanazava ireo mpitantana Doany fa ny tsara ihany no azo hangatahina eo amin’io toerana manan-tantara io : vola, harena, asa, vady, sns. Tsy natao hamorihana olona izany ny fitaizana olona eny. Rehefa avy midio ireo mpitsidika dia azon’izy ireo atao ny mivavaka ao amin’ireo trano sy lavadrano isan-karazany. Amin’izay fotoana izay no hangatahana ireo izay rehetra iriana. Tohizana amin’ny fanasianana ireo fasan’ny Mpanjaka eny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo moa ny hataka atao.
Etsy ankilany, azon’ireo mpitsidika atao ny mitondra rano mody. Iny indray no hampiasain’izy ireo amin’ny fiainana andavan’andro. Misy ireo manao izany ho fisotro na fampiasa amin’ny fidiovana sy ny fisasana. Rehefa mampiasa ireny ihany koa dia mangataka hatrany ny fitahiana sy ny fahasoavana. Ao anatin’izany ny harena, fahasalamana, zanaka sy ireo maro hafa. Raha ny fanazavana hatrany dia arakarak’izay lazain’ireo fanahy ny fomba tokony hampiasain’izy ireo ny rano izay nalaina, ary ambaran’ireo mpiandry doany izany mialoha ny handaozana ny toerana.
Fady
Toy ireo vohitra sy Doany maro eto Antananarivo dia misy ihany koa ny fady ao amin’io Doany Ambodisaha io. Vao miditra ny vavahady ohatra dia tsy maintsy hesorina ny kapa sy ny kiraro. Tsy azon’ireo mpitsidika atao ihany koa ny mihinana kisoa, osy, tongolo gasy ary tongolo maitso. Raha ny tokony ho izy, eo amin’ny fiainany dia tsy tokony hinana ireo fady ireo ihany koa ireo mandalo io toerana io. Tsara ny manamarika fa tsy misy andoavam-bola izany rehetra izany. Apetraka ny hasina, ary manolotra izay foy ho an’ireo mpiandry doany.