• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Ambohidratrimo : Vohitra masin'i Ratrimo, Mpanjaka voalohany tao amin'ny Fanjakan'Imerina

06/03/2025 15:28 © Moov

Anisan'ireo vohitra masina 12 ao amin'ny Fanjakan'Imerina i Ambohidratrimo, ao Marovatana, lalampirenena faha-4. Nitoeran'ny Andriana maro sy ny taranany io tanàna io, antom-pisian'ny Rovan'Ambohidratrimo.

Rehefa mianatra ny tantaran'i Madagasikara ny mpianatra, voalaza hatrany fa i Andrianampoinimerina (1787-1810) no Mpanjaka voalohany teto Madagasikara. Ara-tantara nefa, efa tamin'ny taona 1 150 no nisy ny fitondrana mpanjaka, ka i Ratrimo izany no Mpanjaka voalohany, teto amin'ny Fanjakan'Imerina.

Tantaran'ny Rovan'Ambohidratrimo

Ny Mpanjaka antsoina hoe Ratrimo na Andriandroka I no nanjaka tao Marovatana, vohitra iray sahabo ho 15 km miala an'Antananarivo. Izany no antony nanomezana ny anaran-tanàna hoe Ambohidratrimo tamin'ny taona 1 150 tany ho any. Maromaro ireo mpanjaka nandimby an'i Ratrimo tao : Ramorabe, Rambolamasoandro, Andriantomponimerina, Andriambelo, Ramananandandrianjaka, sns. I Andriantompoinimerina moa dia zanaka lahin'Andriamasinavalona. I Rakotomaditra Ravorombato indray dia miaramila mahery tamin'ny andron-dRadama I.
I Ramorabe (Mpanjaka vehivavy) indray dia nanohitra ny fanafihana nataon’Andrianampoinimerina, rehefa nikasa ny haka an'Ambohidratrimo ity farany. Taty aoriana nefa, te hampiray ny fanjakana i Andrianampoinimerina, ka nifona sady naka ho vady faha-12 i Rambolamasoandro, zafikelin'i Ramorabe. Tsy iza i Rambolamasoandro fa renin'ny Mpanjaka Radama I.

Fotodrafitr'asa sy vakoka ao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo

Tsy misy lapa lehibe fonenan'ny Mpanjaka intsony ao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo. Ara-tantara mantsy dia narodan'ireo anglisy izany lapa izany taorian'ny ady lehibe faharoa. Ny fototr'izany lapa izany sisa no mijoro. Ny fasana fitomiandalana sisa no fotodrafitr'asa lehibe ao amin'io toerana io.

-Fasan-dRatrimo : Any Avaratra, manakaiky ny vavahady fidiran'ny Mpanjaka no misy ny fasan-dRatrimo, ilay Mpanjaka voalohany teto Madagasikara. Ao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo no nanafenana ny nofo mangatsiakany. Misy tsangambato fanasinana ho azy ao amin'ilay Trano masina ambonin'ny fasana. Misy tsangambato fahatsiarovana an'Andriamasinavalona ihany koa ao. Io Trano masina io no fandraisan'ny mpitaiza olona ireo mila fanampiana, ary hanokoana sikidy raha ilaina.
-Fasan-dRamorabe : Mpanjaka tao Ambohidratrimo i Ramorabe, reniben'i Rambolamasoandro. Eo afovoany no misy ny fasany. Ao amin'ny Trano masina eo ambonin'izany fasana izany dia misy ny tsangambato fanasinana ho an'i Ramorabe, Ravola ary Rakotomaditra Ravorombato. Manantona an'i Ramorabe ireo misedra fahasarotana, toy ny vehivavy bevohoka hiteraka ohatra ka te ho mora fiterahana. I Ravola kosa dia fangatahana vola sy harena, ary tsy tia ireo mpandoro/ mpandrovitra vola na mpanao tsinontsinona olona. I Rakotomaditra kosa, miaramilan'ny Mpanjaka fahiny, dia fangatahana fahasoavana mifandray amin'ny rariny sy hitsiny ary ny herim-po.
-Fasan-dRambolamasoandro : Manakaiky ny fidiran'ny vahoaka avy eo amin'ny vavahady atsimo no misy ny fasan-dRambolamasoandro. Vadin'Andrianampoinimerina faha-12 izy, sady renin'i Radama I. Hita ao amin'ny Trano Masina eo ambonin'ny fasany ny tsangambato natokana ho azy, sy ho an'ny zanany, Rakotomena (Rahalahin'i Radama I).
Mizara 3 izany ny fasana fitomiandalana, ka samy misy tsangam-bato roa na telo avy ao anatiny. Samy mety hanasinana avokoa ireo, saingy mety manoro ny mpitarika eny an-toerana, arakaraka ny tsindrimandry azony ho an'ny tsirairay. Tsy azo adinoina fa eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo no ahitana ilay "dian-tongotr'i Rapeto". Vato misy dian-tongotra sy dian-tanana lehibe moa no hita eny.
Mbola hita ao amin'ny tokontanin'ny Rovan'Ambohidratrimo ihany koa ny vato fikabarian’ny mpanjaka, ny fatana fandrahoana sakafo, ny vato fitsarana fanomezana tangena ary ny vala fiompiana.


Copyright Image : © Moov

Fitsidihana sy fanasinana ao amin'ny Rovan'Ambohidratrimo

Misokatra ho an'ny rehetra, na Malagasy na Vahiny ny Rovan'Ambohidratrimo. Amporisihina mihitsy ny fitsidihana toerana manan-tantara ho an'ny sokajin-taona rehetra, indrindra ireo mpianatra.
Tsy azo lavina fa misy tokoa ireo olona mankeny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo no manasina sy mangataka fitahiana.
Misy karazana vato roa eny an-toerana :
-Vato misy nono : fangatahan-tsodrano mba hahazoana taranaka sady fitsapana vintana ;
-Vaton'ny mpifankatia : famantarana hanan-taranaka, izany hoe fitsapana vintana ihany koa.
Ireo olona mahazo zanaka na izay fahasoavana nangatahina moa dia miverina eny an-toerana miaraka amin'ny fanatitra. Marihana nefa fa mila mametraka "hasina" ireo rehetra te hanao fangatahana eny an-toerana. Tsy inona fa vatomamy, siramamy, voankazo, ranomboankazo no atolotra. Misy ihany koa nefa ireo mitondra vola. Azo atolotra ihany koa ny toaka sy ny sigara, indrindra raha hanasina eo amin'ny tsangambato fahatsiarovana an'i Rakotomaditra.

Fanamarihana

Ho an'ireo te hanaja tanteraka ireo fombafomba rehetra, tokony "mandro" eny amin'ny Doanin'i Nenibe Ramorabe eny Ambodisaha aloha vao miakatra eny an-dapa. Misy loharano miisa 3 ao izay samy angalana kely, atambatra "sceau" androana. Atondraka eo an-tampon-doha ny rano ka mikoriana mandena ny vatana. Rehefa vita ny fombafomba rehetra ao dia manasina eny amin'ny Rovan'Ambohidratrimo amin'izay.
Misy ny fomba arahina raha tonga fadimbolana ny vehivavy, na avy namonjy fahoriana/ lanonana ny olona mitady fitahiana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires