• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Ile aux Nattes : Torapasika fotsy manjopiaka ao Aniribe, Sainte-Marie

17/07/2024 17:42 © Moov

Anisan'ireo toerana be mpitsidika ao Sainte-Marie ny Ile aux Nattes. Any amin'ny faritra atsimo no misy azy io, alohakelin'ny Seranampiaramanidina Ravoraha.

Torapasika mahatalanjona

Alaivo an-tsaina anie e ? Ranomasina manga mangarahara sy torapasika fotsy, voadidina alam-boanio : izany no atao hoe paradisakely. Tsy manam-paharoa ny Ile aux Nattes, nosikely mitokana ao atsimon'i Sainte-Marie. Raha avy eo amin'ny faritra afovoany, izany hoe ao Ambodifotatra, no miainga, mila mianatsimo mihazo ny "pointe de l'île". Eo ho eo amin'ny 10 kilometatra no aleha, amin'ny fiara na amin'ny bajaj. Miampita lakana avy eo. Araka ny tantara dia nisy jiolahintsambo (pirates) maherin'ny arivo isa nonina tao, teo anelanelan'ny taona 1684 sy 1724.
Midadasika ny tora-pasika ka afaka manararoatra avokoa na ny ankizy, na ny tanora na ny olon-dehibe. Tazana tsara ihany koa ny fasika sy ny "fonds marins" ambany rano ka azon'ny tsirairay tsara ny misafidy ny faritra ijanonany, arakaraka ny fahaizany milomano. Efa maro ireo toeram-pandraisam-bahiny sy trano fisakafoanana eny an-toerana. Misy ireo misafidy hijanona andro vitsivitsy ao amin'ny Ile aux Nattes, saingy ny ankamaroan'ny mpitsidika dia manapitra ny tontolo andro dia miverina mihazo an'i Sainte-Marie.

Tanànakely mahafinaritra

Eo ho eo amin'ny 1 500 ireo mponina ao Aniribe, Ile aux Nattes. Mivelona amin'ny jono, fiompiana ary fambolena ireo mipetraka ao amin'io nosikely io. Misy ihany koa ireo mivarotra asa tanana isan-karazany. Mazava ho azy fa misy ny biraom-panjakana, ny sekoly ary ny fiangonana. Tsy voatery hamonjy an'i Sainte-Marie ireo mponina vao mahazo izay vokatra sy fitaovana ilaina amin'ny andavanandro. Azo atao tsara ny manao "tour de l'île", ankafizana zava-maniry maro karazana. Misy ny trano fandraisam-bahiny lehibe tena malaza, izay antsoina hoe "Maison Blanche". Toerana avo tokoa izy io satria dia hahafahana mahita ny ranomasina sy ny toerana manodidina (vue panoramique de 360°).
Toerana milamina sady madio rivotra azo ialana sasatra tsara ny Ile aux Nattes. Na mipoaka be aza ny masoandro, mangatsiatsiaka foana eny amoron-dranomasina satria manome alokaloka mampahazo aina ery ireo "palmiers" maniry ao aorian'ny torapasika.
Ireto àry misy toro vitsivitsy tsara fantatra :
-Afaka misafidy ny mpitsidika na lakana voizina na misy motera no iampitana ;
-Amin'ny ankapobeny dia tokony tsy anaovana kapa na kiraro ny eny amoron-dranomasina ;
-Azo atao tsara ny manao "snorkeling" izahana ireo soka-dranomasina ;
-Any amin'ny faritra andrefan'ny nosikely no tena andalovan'ireo baleines ;
-Tsy tongan'ny herinaratra ny ao Aniribe, saingy efa mampiasa angovo azo avy amin'ny masoandro ireo mponina. Kitay, saribao na gaz kosa no ampiasaina andrahoana sakafo ;
-Ny volana jona hatramin'ny oktobra no tena tsara andehanana any amin'io nosikely io, mba isorohana ny orambe.

Lire la suite

Articles Similaires