• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Expedia_Nosy_Boraha
Image
Madagasikara

Moron-dranomasina 6 isan’ny kanto indrindra eto Madagasikara

23/10/2023 16:41 © Moov.Mg

Tsy mba ory moron-dranomasina azo ialana sasatra sy itsangatsanganana i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo toerana tsara tsidihina indrindra maneran-tany foana ireo moron-tsirak’i Madagasikara. Toerana 6 no notsongain’ny Figaronautisme.com, sy nambarany fa isan’ireo moron-dranomasina tena tsy azo ihodivirana raha vonona ny hanao fiainana aty Madagasikara.

Manafiafy

Morontsiraka isan’ny kely indrindra eto Madagasikara izy io, any avaratra-atsinanan’i Taolagnaro no misy azy. Tena idealy izy ho an’ireo te hisintaka ny moron-dranomasina be olona. Hodidinina zava-maitso ny moron-tsirak’i Manafiafy ary tsy ahitana afa-tsy hôtely fandriam-bahiny tokana any an-toerana. Maro kosa ireo karazana fialam-boly azo atao any, toy ny fijerena trozona, ny lakana, ny « plongée », na mitanina andro eo amoron-dranomasina fotsiny.

Nosy Be

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony izany Nosy Be izany ary dia tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ity lisitra navoakan’ny Figaronautisme.com ity. Ankoatra ny moron-tsiraka, izay efa diso fanta-daza loatra ny hakantony, dia azo atao ihany koa ny mitsidika ireo karazana tanalahy, androngo sy sahona ao amin’ny valanjavaboaharin’i Lokobe. Tsara tsidihina tahaka izany koa ny Lemuria Land, izay ahitana varika san-karazany.

Nosy Komba

Manelanelana an’i Nosy be sy ny tany ben’i Madagasikara ny Nosy Komba. Mahasondriana ny mitsidika azy, noho izy toerana ifanenan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra. Tsy misy mponina ny ampahany betsaka amin’ity Nosy ity, afa-tsy ny tanàna kelin’ny mpanjono izay mandravaka azy. Isan’ny mahaliana any an-toerana, hoy ny Figaronautisme.com, ireo varika mainty, izay mety hifanena tampoka amin’ny mpitsidika eny ho eny.

Nosy Boraha

Nosy Sainte-Marie no tena ahafantaran’ny maro azy. Isan’ireo nosy kely ankafizin’ny mpizahatany ihany koa izy, ka rariny raha manana ny toerany ao anatin’ity lisitra navoakan’ny Figaronautisme.com ity. Tsy hotantaraina intsony ny hamangan’ny ranomasina sy ny hafotsin’ny fasiky ny moron-tsiraka any. Fa isan’ireo tsy azo ihodivirana ny tantara manamarika an’i Sainte-Marie, dia ny fisian’ireo jiolahin-tsambo (pirate) izay niery tao fahagola. Mbola hita ao an-toerana ny fasan’izy ireo, ravahan’ny karandoha.

Nosy Nanto

« Île aux Nattes » ihany koa no ahafantarana azy, na Agniribe. Tsy lavitra loatra an’i Sainte-Marie no misy azy. Mihamaro hatrany ireo mpizahatany tonga mitsidika any ary izay efa nahita dia manasokajy azy ho paradisa kely avokoa. Tena kanto ny moron-tsiraka ao, madio mangalahala ny rano ary mitondra alokaloka tsara ireo « palmiers » manemitra ny moron-dranomasina. Ahitana karazam-biby mponina an-dranomasina any, toy ny soka-dranomasina. Ahafahana mitazana ireo trozona ihany koa, amin’ny fotoana fandalovany aty amin’ny moron-tsirak’i Madagasikara.

Tsarabanjina

Any amin’ny Nosy Mitsio no ahitana an’i Tsarabanjina. Any amin’ny 50 km miala an’i Nosy be no misy azy. Toerana tena safidiana izy raha hiala amin’ny mahazatra, noho izy lavitry ny kotaba sy ny olona marobe. Raha tia ireo karazan-kilalao fanao an-dranomasina, toy ny « plongée », dia tena hankafy an’i Tsarabanjina sy ny Nosy Mitsio. Misy klioba miompana amin’izay « plongée » zay mihitsy ao an-toerana. Mila telo andro eo ho eo, raha te hanararaotra ny hatsaran’i Tsarabanjina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo