Papa Fransoa : Mpitarika nijoro tamin'ny fitiavana sy ny fahamarinana
Papa be fitiavana, mpanao asa soa, nitsinjo ny mahantra ary tia ny olona rehetra : i Papa Fransoa izay. Ny alatsinainy 21 aprily teo ny tenany no nodimandry, rehefa nivahiny 88 taona.
Papa tsy Eoropeana voalohany ny Papa Fransoa. Avy any Argentine, ao amin'ny kaontinantan'i Amerika Atsimo ny tenany. Hatramin'izay nanokanany tena ho an'ny Eglizy Katolika, nifantohany sady nahasarotiny azy ny fitandrovana ny rariny sy ny hitsiny (indrindra ho an'ireo mahantra) sy ny fiombonana amin'ny olona rehetra (na kristiana na tsy kristiana).
Tantaran'ny Papa Fransoa
Jorge Mario Bergoglio no tena anarany. Fony izy 76 taona, rehefa lany Papa ny 13 marsa 2013, nisafidy ny anarana hoe "Fransoa" ny tenany ho fahatsiarovana an'i Masindahy François d'Assise. Izy no Papa Ray Masina faha-266, lehiben'ny Eglizy Katolika sady filohan'i Vatican. Nisolo ny Papa Benoît XVI, izay nametra-pialana, ny Papa François.
Tamin'ny taona 1969, izany hoe teo amin'ny faha-33 taonany no nandray ny Ordinasiona izy ka lasa Pretra. Nianatra teolojia tany Argentine ny tenany. Tamin'ny fahatanorany, nisy aretin-tratra nanjo azy ka voatery nanesorana ny avokavony. Nanao voady izy fa hanolo-tena raha sitrana, ka dia notanterahiny izany. Niditra teo anivon'ny Jezoita ny tenany tamin'ny taona 1973, ary lasa "supérieur provincial de la Compagnie de Jésus". Tamin'ny taona 80 sy 90, lasa mpiandraikitra tao amin'ny Fakiolten'ny Filozofia sy Teolojia ny tenany. Tsy mba tia nirehareha sy nandanindany vola fahatany ny tenany. Tsotsotra teny hatrany ny fiainany, ary marobe ireo sariny mandeha fitaterana iombonana na mandehandeha eny amin'ireo tanàna misy mahantra sy sahirana. Nahazo ny solon'anarana hoe "Evêque des bidonvilles" mihitsy ny tenany.
Tamin'ny taona 1998 izy no lasa Arsevekan'i Buenos Aires, ary notendren'ny Papa Joany Paoly II ho kardinaly ny taona 2001. Nanomboka teo ny tenany no fantratra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Voatonona mihitsy ny anarany tamin'ny fifidianana ny Papa vaovao, tamin'ny nahalasanan'ny Papa Joany Paoly II tamin'ny taona 2005. Ny taona 2013 moa ny tenany no lasa Papa.
Mpitarika katolika nampiray ny Kritsiana rehetra
"Révolutionnaire" na "libéral" ny Papa Fransoa. Nahafantarana azy ny fivelarany tamin'ny kristiana rehetra, na katolika na finoana hafa, na toy ny inona na toy inona anjara asany na fari-piainany. "Manana anjara toerana ao amin'ny Fiangonana avokoa ny olona rehetra. Tsy misy olona tsy ilaina na tsy dia manan-danja. Nirahina mihitsy isika hiantso ny olona rehetra, tanora sy antitra, salama sy marary, marina sy mpanota : ny rehetra, ny rehetra, ny rehetra", hoy ny Papa Fransoa, nandritra ny Journées Mondiales de la Jeunesse (JMJ) tany Lisbonne, ny taona 2023.
Tsy azo lavina fa misy tokoa ireo "traditionnalistes" sy "conservateurs" eo anivon'ny Fiangonana Katolika no tsy dia nankasitraka azy loatra. Nijoro tamin'ireo hevi-dehiben'ny "Concile Vatican II", tamin'ny 1962 hatramin'ny 1965, mantsy ny tenany. "Réforme" na fanavaozana ny Eglizy Katolika no natao tamin'izany. Tapaka fa misokatra kokoa amin'ny fandrosoana hita eto amin'izao tontolo izao ny Eglizy, ary manaja ny "Unitatis redintegratio". Ny tanjona dia ny hamerina ny olona ho ao amin'ny Fiangonana (Fiangonana rehetra fa tsy Fiangonana katolika ihany). Tafiditra ao anatin'ny fijery vaovao ihany koa ny fanamorana ny fahazoan'ireo mpino ny hafatr'Andriamanitra. Ao anatin'izany ny "réforme liturgique", izay nanekena ny fankalazana ny lamesa amin'ny teny ampiasaina eo anivon'ny firenena tsirairay, fa tsy amin'ny teny latina fotsiny intsony.
Niteraka resabe teny amin'ny haino aman-jery maro ny fahalalahan'i Papa Fransoa mikasika ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana, ny fanabeazana aizana, ny fisaraham-panambadiana, ny fitondrana anaka izay tsy an'ny tena (fanaovana mère porteuse) sy ny lohahevitra somary manohina ny maro. Nampiavaka ny Papa Fransoa ihany koa ny fanomezana andraikitra kokoa Ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fiangonana.