• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Mahajanga : Cirque Rouge, "Grand Canyon" eto Madagasikara

08/07/2025 17:26 © Moov

Raha mikasa ny hiala sasatra any Mahajanga, tsy ny ranomasina ihany no azo ankafizina. Tsara tsidihana ireo toeram-pizahantany mampiavaka ny faritra Boeny, ka anisan'izany ny "Cirque Rouge".

Anisan'ireo harem-pirenena eto Madagasikara ny Cirque Rouge, 12 kilometratra miala ny renivohitr'i Mahajanga, faritra Boeny. Mora hita io Toeram-pizahantany io, satria ao alohalohakelin'ny Plage Grand Pavois. Lalam-pasika sy vatovato nefa ny mihazo ny toerana, ka tsara kokoa raha fiara avo sy matanjaka no entina. Araka ny lovan-tsofina moa, fonenan'ny "Dinausore" ny Cirque Rouge teo aloha.

Vatobe miloko hafakely

Volondavenona na voarakotra zava-maitso matetika ireny vatobe fahita ireny. Ny ao amin'ny Cirque Rouge kosa, miloko mena amin'ny ankapobeny ireo vatobe. Rehefa tena manakaiky nefa, misy loko maromaro ny vato : mena, mavokely ary volombolamena. Efa misy faritra manokana azo iakarana, ho an'ireo te haka sary eny ambony eny. Tsy maintsy manao "randonnée" moa raha te hananika ireo vatobe ao an-toerana. Mila miomana amin'ny dia an-tongotra amin'ny fiakarana sy ny lalan-tsarotra ireo teo hahita manontolo ny toerana.
Mazava ho azy, misy ireo mpitaridia mandray an-tanana ireo mpitsidika. Arakaraka ny karazana "Circuit" andehanana moa ny vola aloha. Misy kosa ny vidim-pidirana alohan'ny tsirairay, dia 500 ariary ho an'ny teratany malagasy ary 5 000 ariary ho an'ny teratany vahiny.


Copyright Image : © Moov

Tontolo maitso sy manankasina

Ahitana ala sy zavamaniry isan-karazany ao amin'ny Circuit rouge. Misy ny rano madio mangatsakatsaka, mitsotsorika avy any an-tendrombohitra, izay azo sotroina tsara. Maro amin'ireo te hangata-pahasoavana na hamonjy Doany ihany koa no mampiasa io rano io. Mangatsiatsiaka mahafinaritra ao an-toerana, na dia toy ny tany efitra aza ny tontolo manodidina. Azo atao tsara ny mitsangatsangana ao an-toerana, indrindra raha tsy dia tia kotaba.
Mivoaka any an-dranomasina moa io rano mandeha io. Noho ny fisian'ny rano ao amin'ny Circuit Rouge indrindra no antony niantsoana ny toerana hoe "Andranomamy" talohan'ny taona 1999.


Copyright Image : © Moov

Koa satria fonenan'ny Sakalava i Boeny, misy faritra natokana ho an'ny Zafinimena sy Zafinifotsy ao an-toerana. Misy faritra kely voadidina lamba mena sy fotsy, izay natokana hangataham-pitahiana sy hametrahana hasina. Raha ny fomba Sakalava, tokony misikina rehefa mivavaka ao. Tokony hajaina ihany koa ny fady : tsy azo itondrana kisoa sy akoho ao an-toerana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires