• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Lalatiana Rakotondrazafy
Image
Madagasikara

Taombaovao Malagasy 2023 : 21 - 22 Martsa eny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby

18/03/2023 19:52 © Moov.Mg

Ho tontosaina ny talata 21 sy ny alarobia 22 martsa ho avy izao ny fankalazana ny taombaovao Malagasy 2023. Toy izao ary ny fandaharam-potoana amin'izany.

Famaranana ny taona sy fitsenana ny taona vaovao

Ny talata 21 martsa no andro tsy maty. Ambara ihany koa hoe andro farany amin'ny taona, izay hotsipahina eo antampon'Ambohidrabiby.
12h30 : Kabary fanokafana ny lanonana ataon’ny Sefo Fokontany sy ny Filohan’ny Taranaka Ambohidrabiby. Kabary fisantarana arahin’ny tso-drano ambava ataon’ny Terak’Antehiroka. Miampy tantara sy lovatsofina momba ny fanao fahizay.
12h 45mn: Fandrehetana ny AFO TSY MATY sy fanazavàna izany ary fizaràna afo. Izay te haka afo moa dia mila mitondra labozia.
14h : FIDIOVANA any ambany andrefana any an-doharano ao Andohalo miampy fanazavana ny antonantony. Marihana fa natao ho an'ny daholobe izany.
15h : VAKODRAZANA Malagasy sy KILALAO MALAGASY
18h: Harendrina manodidina ny rovan’Ambohidrabiby. Hahazo harendrina avokoa ireo mpandray anjara eny an-toerana
19h: FANDROANA-FANASINANA eo andrefan’ny lapa Fenohasina tarihin’ny Filohan’ny Taranaka Ambohidrabiby , sy fanazavana ny tantara sy anton’izany.
20h: LOABARY AN-DASY mikasika ny fomba sy ny tantara misy amin’ny faritra maro eto Madagasikara, misokatra amin’ny rehetra ny fandraisana anjara. Miditra ny Rovan'Ambohidrabiby moa ny mpandray anjara amin'izany.
Aorian'izay ny tsimandrimandry. Ity dingana ity dia mandra-maraina, sady andraisana ny taona vaovao. Totorebika ankalamanjana no atao amin'izany

Taombaovao Malagasy 2023

Ny alarobia 22 martsa no taombaovao Malagasy 2023. Hisy araka izany ny lanonambe iarahana amin'ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.
Toy izao indray ny fandaharam-potoana :
09h: FANANGANANA NY SAINAM-PIRENENA MALAGASY
09h05mn: FIDIOVAMPIRENENA
09h 20mn: FAMONOANA OMBY eo amin’ny kianja
10h : Fanombohan’ny lanonana
10h 30 mn : KABARY samihafa ataon’ireo Raiamandreny isan-tsokajiny
-FAFY RANO tanterahan’ny Antehiroka (ialohavan’ny velirano sy tsitsika hanavotana ny firenena latsaka anaty kizo sy hanandratana indray ny fiandrianam-pirenena)
-TATAO vary amin-dronono tondrahan-tantely
-Dihy nentimpaharazana ataon'ny Taranak’Ambohidrabiby
-ZARAHASINA
-MANATI-KASINA

Hisy ny hiragasy miavaka amin'io fotoana io. Tsy adino ny fampisehoana zavakanto miavaka toy ny soradihy, ny kapo-tandroka ary ny don-tany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo