• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Francelinge
Image
Fahalalana Ankapobeny

Rano tapaka : inona no vahaolana amin’ny fanasana ny lamba ?

06/11/2024 15:15 © Moov.Mg

Sahirana amin’ny tsy fisian’ny rano tokoa ny ankamaroan’ny ankohonana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Maro moa ny olana aterak’izany, toy ny fahasahiranana amin’ny fanasana ny lamba. Ankehitriny efa misy ireo karazana « pressing » izay isan’ireo vahaolana manala fahasahiranana.

Ny olana samihafa amin’ny fanasana lamba noho ny fahatapahan’ny rano

Misedra fahatapahan’ny rano lavareny ny ankamaroan’ny toerana eto Antananarivo ankehitriny. Misy ireo mandeha kely ihany ny rano rehefa alina fa misy ihany koa nefa ireo tsy misy rano mihintsy nandritra ny volana maro. Noho izany dia mandeha matsaka eny amin’ny toerana misy rano, na ranon’ny paompy na lava-drano ny rehetra. Ankoatra ny filàna amin’ny fandrahoana sy fanadiovana samihafa ao an-tokantrano dia ilaina amin’ny fanasana lamba ihany koa ny rano.
Samy miezaka mikaroka izay fomba hahafahana manasa lamba ny ankohonana tsirairay. Misy lafy ratsiny avokoa anefa ny ankamaroan’ireo vahaolana ampiharin’ny tsirairay.
-Ho an’ireo misafidy ny hanasa lamba ao an-trano ihany
Maro ireo misafidy ny hanasa lamba ao an-trano ihany na dia eo ary ny fahatapahan’ny rano. Izany hoe matsaka rano betsaka kokoa ary angonina izany hanasana ny lamba. Ny olana amin’izany nefa dia misy fotoana tsy mandeha mihintsy ny rano na koa voafetra ihany ny rano azo eny amin’ny fatsakana. Arak’izany dia mety misy fotoana tsy ampy ny rano ampiasaina ao an-trano ka tsy afaka manasa lamba. Rehefa mitoby ao nefa ny lamba maloto dia vao maika mila rano betsaka kokoa hanasana azy ireny.
-Ho an’ireo mampanasa lamba eny amin’ny renirano
Efa maro ihany koa ankehitriny ireo mpanasa lamba mitondra ny lamba ho sasana eny amin’ny renirano na eny amin’ny rano mandeha. Amin’izao main-tany izao nefa dia efa miharitra ireo rano ireo ka mihamaloto izy ireo. Rehefa sasana amin’izany ny lamba dia mety tsy hadio tsara akory na lasa tandalerina. Ankoatra izay dia misy ireo rano mandeha tsy atokisana ny fahadiovany satria mety misy manary maloto eny amin’izy ireny.

Vahaolana tsara hitodihana ve ny « pressing » ?

Efa maro ankehitriny ireo orinasa madinika eto Antananarivo miompana amin’ny asa « pressing » na ny fanasana sy fipasohana lamba. Izany hoe mifantoka manokana amin’ny fanasana sy fipasohana lamba izy ireo. Azo aterina mivantana eny amin’izy ireo ny lamba maloto na atao alainy sy ateriny handoavana sarany. Samy manana ny fomba fiasany moa izy ireo fa amin’ny ankapobeny dia isaina na lanjaina ny lamba ho sasana ary efa voafaritra mazava ny saran’izany.
Azo lazaina ho manala fahasahiranana ity vahaolana ity ho an’ireo ankohonana mipetraka amin’ny toerana tapaka rano lava. Tsy miferotr’aina mitady rano hanasana lamba ary tsy hanahy intsony amin’ny fahadiovan’ny lamba raha mampanasa eny amin’ny renirano. Voasasa tsara sy voapasoka tsara ny lamba avy ao amin’ny « pressing ».
Marihana nefa fa lafo kokoa ny mampanasa lamba amin’ny « pressing » raha oharina amin’ny fanakaramana mpanasa lamba. Mety maro ireo ankohonana tsy manana ny enti-manana amin’izany. Manodidina ny 50 000ariary hatramin’ny 180 000ariary isam-bolana ny « abonnement » aloha amin’izy ireny ary miankina amin’ny habetsaky ny lamba sasana moa ny saran’izany.

Lire la suite

Articles Similaires