• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 20 Minutes Maison
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fiomanana amin'ny fety : Ireo fikarakarana tsara atao

03/11/2024 23:49 © Moov

Efa miditra volana novambra isika izao. Tamin'ny faraparan'ny volana oktobra nefa dia efa hita tsikelikely teny an-tsena ireo haingo krismasy isan-karazany. Midika izany fa efa mila miomana amin'ny fandraisana ny fety ny rehetra.

Diovina ny trano

Manokana andro iray na maromaro anaovana "grand-ménage". Tsara raha asesy isaky ny efitra izany. Esorina ny vovokasy ny loto isan-karazany, ary sasana avokoa ireo "linges de maison" toy ny rideaux sy ny coussins.

Amporisihina ny tsirairay mba hahafoy ireo entana tsy miasa intsony, na fanaka, na kiraro, na akanjo, na kilalao, na fitaovan-dakozia sns. Izany no atao hoe "libérer de l'espace" : mahazo toerana kokoa isika rehefa miala avokoa ireo zavatra tsy ampiasaina intsony. Rehefa vita izany dia azo atao tsara ny manova ny toeran'ny fanaka, sady mandoko rindrina/ fanaka. Tsy adino ihany koa ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny ivelan'ny trano, na zaridaina na tamboho.


Copyright Image : © RénoAssistance

Avoaka ireo haingo krismasy teo aloha

Aza miandry amin'ny tapaky ny volana desambra vao manaingo trano. Dieny izao, avoahy ireo haingo efa misy ao an-trano. Atokany ireo mbola azo ampiasaina, indrindra raha te hanaraka "thème" manokana amin'ity taona ity. Izany no atao dia ny mba hahafahana manao ny lisitr'ireo zavatra tokony vidiana eny an-tsena. Efa tokony ho azo an-tsaina ihany koa ny vola tokony omanina. Tsy adino ny toerana ividianana ireo entana tadiavina. Raha misy entana afarana avy any ivelany dia fotoanany mihitsy izao. Aza misalasala mihitsy mijery sary isan-karazany mikasika ny "décoration de noel" amina trano mihaja, hahafahana miova amin'ny mahazatra indray.


Copyright Image : © Le Journal de la Maison

Manamboatra haingo krismasy

Tsy voatery mividy vao manana haingo krismasy miavaka. Azo atao tsara ny manamboatra "décos de noel", amin'ny alalan'ireo fitaovana misy ao an-trano. Raha manana tavoahangy vera ireny ohatra dia azo haingoana amin'ny "rubans" sy loko mangirana. Raha manana "bocal transparent", azo asiana jirokely sy potika "Guirlandes" ao anatiny. Hahavitana zavatra tsara ihany koa ny kapoaka, hazokely, fanantonana akanjo, gazety, ampoule, sns.
Raha te hanana "crèche de noel" kosa dia mila baoritra na hazo. Azo atao tsara ny mividy sarivongana vita amin'ny "argile" avy eo. Tsy voatery manjifa "sapin" ihany koa satria azo amboarina amin'ny alalan'ny hazo na vy izy ireny. Raha manana baoritra kelikely maromaro ianao dia azo ividianana "papier cadeau thème noel" ireny ka fonosina.


Copyright Image : © Maisons de Campagne

Lire la suite

Articles Similaires