Fahasalaman’ny voa : saropady ho an’ny fiasanan’ny vatana
Marihana isan-taona ny alakamisy faharoa ny volana martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny voa. Izany dia mba hampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny voa. Asongadina mandritra izany ihany koa ireo karazana « risques » mety mahatonga ireo olana eo amin’ny voa.
Inona no maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny voa ?
Ny voa na ny « reins » dia taova mitana anjara lehibe eo amin’ny fitandrovana ny fahasalamantsika. Ny asany voalohany dia ireo loto sy rano mihoatra ao anatin’ny rà ka mamadika izany ho lasa pipy. Raha tsy miasa tsara izany ny voa dia miangona ao amin’ny rà ireo fako sy rano be loatra ka mety hitarika tsy olana ao amin’ny vatana.
Ankoatra izay dia mbola mitana anjara asa hafa maro ao amin’ny vatantsika ny voa, ka anisan’izany ny :
-Fandrindrana ny tosiky ny rà amin’ny alalan’ny famokarana hormonina mandamina ny fitosiky ny rà ;
-Famokarana hormonina izay mamporisika ny famokarana liomena na « globules rouges » ;
-Fanovana ny vitamina D ho amin’ny endriny « active » izay ilaina amin’ny fanorenana taolana mafy, fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà, fisorohana ny homamiadana sy fahaketrahana…
Ireo fomba atao hitandrovana ny fahasalaman’ny voa
Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny voa dia ilaina ny :
-Misotro rano ara-dalàna isan’andro mba hanampiana ny voa hanala ireo fako ao anaty rà ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana. Izany hoe ny voankazo, legioma ary ny « céréales complètes » no atao betsaka. Ahena ny fihinanana sira, siramamy, « graisses saturées ». Ferana ny fihinanana « protéines », indrindra raha efa manana olan’ny voa ;
-Manao fanatanjahantena matetika mba hitazomana tsara ny fikorian’ny rà sy handrindrana ny tosidrà ;
-Fanaraha-maso ny toe-pahasalamana, indrindra ny diabeta sy ny tosidrà satria isan’ireo anton-javatra mety mahatonga aretin’ny voa izy ireo ;
-Fadiana ny manao dokotera tena. Izany hoe, tsy mihinana fanafody fahatany sy tsy avy any amin’ny mpitsabo noho izy ireny mety ho poizina ho an’ny voa;
-Tsy mifoka sigara satria manimba ny lalandrà ny sigara ka anisan’izany ny lalandrà ao amin’ny voa.
Ireo fambaran’ny aretin’ny voa tokony hahamailo
Tsy voatery mitovy avokoa ny fisehon’ny olan’ny amin’ny voa eo amin’ny olona tsirairay. Mety miankina amin’ny karazana aretin’ny voa ihany koa izany. Misy ihany nefa ireo fambara fahita tokony hahamailo, toy ny :
-Fiovan’ny hatetika sy habetsaky ny pipy ;
-Fivontosan’ny ranjo, kitrokely na ny tongotra ;
-Havizanana maharitra sy sarotra misinda ;
-Hidihidy tsy fantatra mazava ny antony ;
-Fahatsapana tsirona vy ao am-bava ;
-Fanaintainana eo amin’ny kibo (lombaires).
Raha mahatsikaritra ny iray na ny maro amin’ireo fambara ireo dia mila manantona mpitsabo.