• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan-Fr
Image
Sexualité & Mariage

Saint-Valentin : mahatsiaro ho irery, inona no atao ?

14/02/2025 11:00 © Moov.Mg

Araky ny fahafantaran’ny be sy ny maro azy dia andro natokana hoan’ny mpifankatia ny Saint-Valentin. Maro noho izany ireo olona tsy manana olon-tiana no lasa mahatsiaro tena ho irery sy malahelohelo. Inona àry no tokony atao mba hampifaliana tena mandritra ny Saint-Valentin ho an’ireo tsy manambady na tsy manana olon-tiana ?

Ovaina ny fandraisana ny atao hoe Saint-Valentin

Marihana fa ny fitiavana dia tsy mifantoka eo amin’ny fitiavan’olon-droa irery ihany. Azo raisina ho andro hankalazana ny karazana fifankatiavana rehetra izany ny Saint-Valentin. Tafiditra ao anatin’izany ny fitiavana ny tena, ny finamanana, ny fitiavana ny fianakaviana… Ny fanovana ny fomba fijery ny atao hoe Saint-Valentin dia efa manampy betsaka hampifaliana ny tena mandritra io andro io na tsy manambady na olon-tiana aza.

Mikarakara tena

Fotoana iray hahafahana mikarakara tena ny Saint-Valentin ho an’ireo « célibataires » na "divorcées". Afaka manararaotra manao izay zavatra mampifalifaly ny tena, toy ny fandehanana mihotra, misakafo any amin’ny toeram-pisakafoana, ny fanaovana ny fialamboly tiana… Tsy voatery hisy namana hiarahana fa azo atao tsara ny mandeha irery sy mankafy ny fiainana.

Miaraka manal’azy amin’ny namana na ny olona akaiky ny fo

Maro tokoa ireo olona « célibataires » tsy mahazaka mahita ny fahasambaran'ireo mpifankatia rehefa Saint-Valentin toy izao. Anisan’izany ireo izay nisaraka tamin’ny olon-tiana na namoy vady vao haingana, ireo tsy nanana olon-tiana hatry ny ela na ireo mbola tsy nanana olon-tiana mihitsy. Mba tsy hatsiarovan-tena ho irery loatra ary amin’ity andro ity, tsara raha miaraka manal’azy amin’ny namana na olona akaikin’ny fo. Afaka miara-misakafo, mandeha miara-mialavoly… Azo atao tsara ihany koa ny mijanona ao an-trano ka mijery horonantsary tena ankafizina, satria mety ho feno mpifankatia ny ankamaroan'ireo toeram-pisakafoanana.

Saint-Valentin, fadiana ny mampitaha ny tena amin’ny hafa

Toa mora sady lojika ny mampitaha ny tena amin’ny hafa, indrindra rehefa mijery ireny tambazotra sosialy ireny. Mila tadidiana foana nefa fa tsy voatery ho marina na ny tena zava-misy foana ireny hita sary na anatin’ny « publications » ireny. Tsy misy ny fiainana tongalafatra izany mantsy. Tsy voatery ho sambatra avokoa ireo manana olon-tiana na manambady, sady samy manana ny lalam-piainany ny tsirairay. Noho izany, ny fahasambarana sy ny fahombiazan’ny tena hatrany no mila hifantohana fa tsy mijery ary indrindra tsy mitsiriritra ny fiainan’ny hafa.

Lire la suite

Articles Similaires