Ray aman-dreny hentitra loatra : Lasa manafin-javatra foana ny ankizy !
Mitsiriritra ery isika rehefa mahita ankizy sy tanora tena mankato. Nofinofin'ny ray aman-dreny rehetra izany manana ankohonana mirindra tsara. Matetika nefa dia misy zava-miafina mahamenatra ao ambadiky ny fiainam-pianakaviana toa tongalafatra.
Tahotra na filan-javatra
Tena ilaina tokoa ny mametraka "discipline" hennira ao an-trano. Natao hifehezana ireo zanaka izany mba hahomby amin'ny fianarana izy ireo ka hahomby amin'ny fiainana. Tsy vitsy ireo mametraka ora mazava tsy maintsy hodiana, mametra ny vola omena isan'andro ary indrindra mifidy mihitsy ireo naman'ny zanany. Misy ihany koa ireo ray aman-dreny tsy manaiky valiana mihitsy, fa tsy maintsy manaraka izay teneniny hatrany ireo zanany. Rehefa tafahoatra loatra nefa ny famehezana ny ankizy, zary "tranomaizina maoderina" ny ao an-trano. Hanao izay hamalifaliana ireo ray aman-dreniny fotsiny araka izany ireo ankizy, mba tsy ho bedy na ho voakapoka. Eo ihany koa ny filan-javatra, toy ny fitafiana sy kiraro vaovao.
Tsara fantatsika ray aman-dreny nefa fa misy ireto tranga maromaro ireto ho an'ny ankizy "matahotra" an'i dada na i neny :
-Mangala-tahaka any am-pianarana satria tsy te hahazo naoty ratsy. Misy mihitsy ireo mahavita mampihatra herisetra amin'ireo mpiara-mianatra aminy mba tsy "haharesy" azy amin'ny filaharana amin'ny bulletin ;
-Manapaka fianarana, miaraka amin'ireo namana efa tsy avela iresahana, mangalatra, … nefa manaja tsara ny ora fodiana sy ireo fepetra isan-karazany ao an-trano ;
-Mandratra na mamono namana noho ny tsy fitovian-kevitra ;
-Manao tsinontsinona ny hafa, indrindra raha ao anaty fianakaviana manan-katao ;
-Mitoka-monina noho ny herisetra mihatra aminy, nefa matahotra ireo ray aman-dreny ka tsy sahy mitantara.
Maro tokoa ny "hadalana" mety vitan'ny ankizy sy ny tanora rehefa tsy ampy fifandraisana na matahotra ny ray aman-dreniny. Ireo tovovavy moa, misy efa vatana mangatsiaka mihitsy no vantanin'ireo ray aman-dreny, noho ny fanalana zaza an-tsokosoko mba tsy ho bedy ao an-trano. Misy mihitsy ny zanaka mitady lalana ialàna ny fangejan'ny ray aman-dreny, ka misafidy ny hiasa/ hianatra lavitra, na hanambady tsy fidiny.
Fitiavana sy fifampitaizana
Tsy biby fampitahorana akory ny ray aman-dreny, na dia miantoka ny fiainan'ny zanaka manontolo aza. Mba hampahomby ny fanabeazana dia tokony mifototra amin'ny fitiavana izany. Tokony azon'ny zanaka fa fitiavana azy no antony handraisan'ny ray aman-dreny fepetra, fa tsy sanatria fitiavana te hanjakazaka na hampijaly tsotr'izao. Tsara raha misy hatrany ny fifampiresahana, mba tsy hibedibedy fahatany. Raha tara fodiana ohatra ny ankizy, tsy tonga dia saziana avy hatrany, fa anontaniana ny antony nahatara azy. Rehefa tsy "kizitina" na "masiaka" ny ray aman-dreny manontany azy, dia tsy ho alaim-panahy handainga izy. Azo atao tsara ohatra ny mangataka aminy mba hampandre amin'ny finday (somaiso) raha misy olana any an-tsekoly na any an-dalana : fahataran'ny firavana, fitohanan'ny fifamoivozana, dia misakafo kely na miantsena miaraka amin'ny namana, sns.
Mila manana sofina mihaino sy fo tony tsara ny ray aman-dreny, mba ho "confident"-n'ireo zanaka. Tsy voatery hanafinafina izy ireo amin'izay, na manao hadalana kely eny aza. Tsara ihany koa raha fantatra avokoa ireo namana mpifanerasera, ary mifampiresaka raha misy iray na roa amin'ireo toa mampiahiahy. Na eo aza ny andraikitra mavesatra sahanin'ny ray aman-dreny, tsara raha manokana fotoana iarahana amin'ireo zanaka. Tokony henoina ny zanaka, na mitondra hevi-baovao tsy mifanaraka amin'ny fombafomba ao an-trano aza. Mila mifampatoky sy mifampiankin-doha araka izany ny ray aman-dreny sy ny zanaka.