Fitantanam-bola ao an-tokatrano : inona no atao mba tsy ho tafidi-trosa ?
Rehefa misasaka iny ny volana dia manomboka lany ny eo am-pelatanana. Maro ireo tena tsy misy atokona intsony herinandro mialoha ny fandraisam-bola ka voatery mitrosa. Ahoana ary ny fitantanana mahomby ao an-tokatrano ?
Arakaraka ny vola miditra ny vola mivoaka
Matetika dia maro ireo fandaniana atao tsy am-piheverana, hany ka tsy mahatonga faran'ny volana mihitsy ny vola raisina. Tsara raha maka fotoana mihitsy handinihana ny vola azo ampiasaina arakaraka ny vola miditra ao an-tokatrano.
-Atontaly ireo "charges fixes" toy ny hofantrano, ny jiro sy rano, ny sakafo, ny credit sy connexion internet, ny sarampianarana, ny sarandalana.
-Jerena avy eo ny ambim-bola ka ireo no miantoka ny fahasalamana, ny adidy, ny fialamboly, ny fihaingoana, sns
-Kendrena mba hisy ambiny kely foana atao tahiry. Mety hisy tsinona ny tsy fahasalamana na adidy goavana tampoka sady tsy azo ialana.
-Mampiasa valopy maromaro na "classeur à budget" mba hanokanana ny vola amin'ny lalany avy. Tsy tokony ampiasaina amin'ny zavatra hafa izany ny vola efa voatokana amin'ny antony iray.
-Ny mpivady mihitsy no mila mikaondoha ny amin'ny fitantanam-bola ao an-tokantrano. Tokony iarahana avokoa ny tetik'asa rehetra.
-Hialana ireo fahazaran-dratsy mahatonga fandaniam-poana, toy ny fandraisana zava-mahadomelina, ny fividianana zavatra efa ananana (ampy tsara ohatra ny finday iray fa tsy voatery hanana 2 na 3), ny karazan-doka hikendrena vola amin'ny kisendrasendra, sns.
-Raha manana trano, azo heverina ny ampanofana ny ampahany : efitra 1 na 2 ipetrahana mpianatra ohatra.
Raha hita fa mavesatra loatra ireo "charges fixes" dia tsy maintsy hahena izany. Tokony mitady trano moramora kokoa ohatra ny hofany (tsy tokony mihoatra ny 30%-n'ny vola miditra ny hofantrano). Azo atao ihany koa ny misafidy trano manakaiky ny toeram-piasana na ny toeram-pianaran'ny ankizy mba hanafoanana ny vola ilaina amin'ny fivezivezena. Mila ferana ihany koa ireo rendrarendra isan-karazany, toy ny fisakafoanana any amin'ny Restaurant lafovidy na fividianana zavatra tsy tokony ho takatra ohatra. Azo atao tsara sady tena ilaina ny fivoahana miavaka miaraka amin'ny fianakaviana, saingy tokony hifanaraka amin'izay eo am-pelatanana hatrany izany.
Ialana tanteraka ny trosa
Mamatotra ny trosa. Lasa fahazarana mihitsy aza ny mitrosa ho an'ny olona maro. Mila ianarana araka izany ny "fahaizana miaina amin'izay ananana". Tsy ho ampy mihitsy ny vola eo am-pelatanana raha handoavana trosan'olona ny ampahany raha vao mandray karama iny. Raha efa tafidi-trosa dia aleo ialana izany : aloha farak'izay haingana ny volan'olona, ary izay ambiny eo no atao mahampy.
Azo atao tsara ny "miketrika" vadin'asa kely mba hanefana trosa sy tsy hidirana amin'izany intsony.
-Azo heverina ny fanaovana "triage" ao an-trano, ka atokana avokoa izay zavatra rehetra efa tsy ampiasaina intsony, dia amidy avy eo.
-Hahazoam-bola malaky ihany koa ny varobatotra an'habaka. Raha havanana amin'ny resaka fikojana fiara ohatra dia afaka mampiasa vola amin'ny famarotana ireo piesy be mpitady. Ireo vehivavy indray dia afaka mamarotra firavaka na akanjo na kojakojan-damaody isan-karazany.
Rehefa inona izany no tokony hindram-bola ?
Tsy vitsy ireo tolotra fampindramam-bola toa mahaliana ery. Ireo olona te hanao asa tena no tena voasarika amin'izany. Maro ihany koa nefa ireo ilana vola mivaingana, izay mety ho sarotra ny hanangona azy mandritra ny taona maro.
Asatena
Raha hanangana orinasakely toy ny tsena na restaurant na salon de coiffure, mila manao kajy avolenta vao miroso amin'ny findramam-bola. Ilaina ny "business plan" hahitana ireo vola ilaina amin'ny fanokafana sy fampandehanana ilay orinasakely. Tokony fantatra mialoha ihany koa ny fotoana hahazoana tombony sy ny "plan marketing" hahombiazan'ilay tetikasa. Mila mitandrina ireo mpiasatena amin'ny famerenam-bola, satria raha tsy voaloha ara-potoana ny trosa dia ho sarotra ny fiarenana.
Fanamboarana trano
Raha manana asa raikitra dia mety azo heverina ny findramam-bola ividianana trano. Efa misy "plafond" tsy azo hihoarana mantsy amin'ny famerenam-bola isam-bolana. Ny mpampindram-bola no mametra izany. Ilaina ny manana "budget détaillé" mikasika ny fanamboarana manontolo, mba tsy ho diso kajy. Raha ny tena tsara nefa dia ny manangona ihany hanatanterahana ny asa rehetra, satria misy zanabola alain'ny mpampindrana izay mety hahavita zavatra maro. Mety hampiova zavatra maro ihany koa ny fahaverezana asa na tranga tsy ampoizina toy ny tsy fahasalamana.
Fividianana fiara
"Amortissable" na "mihendanja hatrany" ny fiara, ka tsy tokony hitrosana ny fividianana azy. Mandany volabe ihany koa ny fikarakarana azy. Tsy misy ohatran'ny manangona ihany raha fiara na moto ampiasaina amin'ny antony manokana no ilaina. Raha fiara ampidiram-bola kosa, tena ilaina ny manao kajikajy mialoha. Mila fantarina ohatra ny vola ho ampidirina amin'ilay fiara, sy ny vola ilaina amin'ny "entretien".
Ireo "haingitraingitra" isan-tsokajiny
Marobe ireo mitrosa noho ny fisehoana ivelany. Mahafinaritra tokoa ny tsara akanjo sy kiraro rehefa mamonjy lanonam-pifaliana, na mampiseho sary raitra any amin'ny tambazotra sosialy. Tsy tokony antony hitrosana mihitsy nefa ny rendrarendra, na dia ilaina aza. Anisan'izany ny finday, akanjo, kiraro, kojakojan-damaody, firavaka, fanaka, sns. Azo atao ny mividy sy mampiasa izay tsotsotra mifanaraka amin'ny vola ananana. Mazava ho azy, ny sakafo hanina ihany koa dia tsy tokony ho trosaina, na dia te hifety sy handray vahiny aza.
Tsy mora ny mitantana ny vola ao an-tokatrano. Mila fifehezan-tena tanteraka, indrindra raha misy tanjona tratrarina ilana vola misimisy. Ho avy izao ny fety, ka tsara raha efa manao kajy tsy hihoarana izay ananana, mba tsy ho bokan-trosa indray amin'ny taona ho avy.