Taom-pianarana vaovao: torohevitra hanampiana ny ankizy hiatrika ny fidirana
Isan’ny fotoana sarotra ho an’ny ankizy ny fidirana mianatra rehefa avy nialasasatra nandritra ny volana maro. Tsy mora tokoa ny miverina manaraka ny « rythme scolaire », indrindra amin’izao vao miditra izao. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanampiana ny ankizy hiatraka ny fidirana mianatra.
Ampatsiahivina ny ankizy ireo lafy tsaran’ny fiverenana mianatra
Mba handrisihana ny ankizy hazoto amin’izao fidirana mianatra izao dia mila ampatsihivina azy ireo lafy tsaran’ny fianarana sy ny fidirana mianatra. Resahana aminy ireo zavatra tiany sy mahafinaritra azy any am-pianara, toy ny hoe hifankahita amin’ny namana mpiara-mianatra, hianatra zavatra vaovao, handray anjara amin’ireo « activités parascolaires »… Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fampiasana ireo fitaovam-pianarana vaovao.
Haverina halamina ny fahazarana eo amin’ny ora fatoriana
Nandritra ny fialantsasatra dia mety nizatra natory alin-dalina kokoa ny ankizy satria tsy mila mifoha maraina ny ampitso. Mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny fidirirana mianatra dia mila averina alamina tsikelikely ny faharazana eo amin’ny ora fatoriana. Noho izany dia mila haroso ny ora fatoriana mba tsy ho reraka rehefa mifoha maraina. Mety somary sahirana kely izy ireo miverina mizatra amin’izao voalohany izao fa ho zatra ihany nefa izy afaka andro vitsivitsy.
Hanokanana toerana milamina hianarany ao an-trano
Mba hanombohana tsara izao taom-pianarana vaovao izao dia hanokanana toerana fianarana milamina sy mangingiana ny ankizy ao an-trano. Apetraka dieny ety am-boalohany ny fandaminana ny fotoana hianarana lesona sy hanaovana ny enti-mody. Izany dia hahatonga azy hanana fitoniana ara-tsaina sy fahavononana hiatrika ireo zavatra miandry azy hiatrehana ny taom-pianarana. Rehefa fantatry ny ankizy hoe efa misy fotoana manokana hianarany ao an-trano dia ho vononona kokoa izy hanatanteraka izany fa tsy miandry hampatsihivina.