• Cours de change
  • 5169.19 AR
  • |
  • $4482.14 AR
Copyright Image : © Libération
Image
Asa & Fianarana

Mpianatra : maraina sa hariva no tsara hanaovana ny enti-mody ?

10/10/2025 15:33 © Moov.Mg

Fanontaniana isan’ny manitikitika ny sain’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny hoe : rehefa hariva avy mianatra sa rehefa mifoha maraina no tokony atao ny enti-mody ? Miankina amin’ny fahafantarana ny « rythmes biologiques » sy ny filàn’ny tsirairay nefa izany. Tsy misy fotoana manokana tsara hanaovana ny enti-mody fa anjaran’ny tsirairay ny mamantatra ny fotoana mety aminy.

Ny fanaovana enti-mody vao maraina

Maro ireo mpianatra misafidy manao ny enti-mody rehefa maraina vao mifoha iny. Amin’io fotoana io ny atidoha no heverina fa mifoha tsara sy avy naka aina.

Ireo lafy tsaran’ny fanaovana enti-mody vao maraina

Mazava sy mihiratra tsara ny saina. Rehefa avy natory tsara ny alina dia afaka ireo havizanana nitambesatra tao anatin’ny tontolo andro. Io fotoana io no tsara hanaovana ny enti-mody sarotra sy mila fitantohana tsara, toy ny « mathématiques », « physique », famakafakan-dahatsotra… ;
Mora mitadidy ny saina. Amin’ny maraina vao mifoha no avo tena avo ny famailoan’ny saina. Io fotoana io no tsara ampiasaina hanaovana ireo enti-mody sarotra mba hahombiazana tsara sy hahamora ny fitadidiana ireo fanazarana ;

Ireo mety ho lafy ratsiny

Ny fahafohezan’ny fotoana. Fohy kokoa ny fotoana hahafahana manao ny enti-mody amin’ny maraina satria mbola hiomana handeha hianatra. Izany dia mety hitarika enjikenjika be sy tebiteby raha tsy vita ara-potoana ireo enti-mody ;
Ho an’ireo sahirana mifoha maraina moa dia tsy azo antoka ny fanatanterahana ny enti-mody maraina.

Ny fanaovana enti-mody ny hariva

Ny fanaovana ny enti-mody ny hariva avy mianatra dia mampifandray mivantana ireo zavatra nianarana nandritra ny tontolo andro ka manamafy ny fandraisan’ny saina izany.

Ireo lafy tsaran’izany

Tsara kokoa ho an’ny fitadidiana. Ny fanaovana ny enti-mody na ny famerenana rehefa alohan’ny hatory dia manampy ny atidoha handray avy hatrany ireo fahalalana vaovao mandritra ny alina. Ny torimaso tokoa mantsy dia mitana anjara lehibe amin’ny fitazomana ny fitadidiana. Fotoana tsara hamerenana ireo taranja mila fitadidiana, toy ny tantara, jeografia, teny vahiny… ;
Tontolo milamindamina. Ny hariva rehefa alohan’ny hatory dia milamindamina kokoa ny tontolo manodidina ny mpianatra ka afaka manao ny enti-mody milamina izy. Manampy amin’ny fahafahana mieritreritra tsara ihany koa moa ny filaminana.

Ireo mety ho lafy ratsiny

Harerahana sy fihenan’ny fifantohana. Rehefa hariva no tsapa ny vesatry ny fianarana nandritra ny tontolo andro. Reraka ny saina sy ny vatana. Matetika dia mihena be ny fifantohan’ny ankizy aorian’ny amin’ny 5 ora hariva. Mety ho lasa sarotra kokoa ny manao ireo enti-mody mila mampiasa saina sy fifantohana lalina ;
Mety manakorontana ny torimaso. Ny fanaovana ny enti-mody amin’ny alina loatra na ny rarintsaina aterak’ireo fanazarana dia mety hisy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny torimaso. Ny torimaso nefa dia tena ilaina amin’ny fitadidiana sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

Lire la suite

Articles Similaires