• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Fomban-drazana Antenosy : Fagnokarana na Famadihana

22/07/2024 08:33 © Moov

Any amin’iny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara iny no itoeran’ireo Antanosy. Misy kosa ny Antenosy izay ao Sainte-Marie. Misy ihany koa nefa Betsimisaraka, satria mbola any amin’ny faritra atsinanana no misy azy. Ny mikasika ireo Antenosy no resahina eto.

Mbola manan-danja amin’ny foko Antenosy tokoa ny fomban-drazana, na dia efa mahazo vahana aza ny fivavahana isankarazany. Tsara ny mahafantatra mikasika ireo fombafomba manodidina ny fahafatesana ao Sainte-Marie.

Magnokatra Razana

Ny hoe « magnokatra » dia teny Betsimisaraka ilazana ny hoe « mamadika ». Rehefa dimy taona ny nahafatesan’ny olona iray, afaka miroso amin’ny fomba amin’izay, ka ho azon’ireo velona atao ny mangata-pitahiana. Fotoan'ny Fagnokarana mihitsy izao volana jolay izao.
Rehefa maty ny olona iray, fonosina lambafotsy izy, na lambahoany, na izay lamba tena tsy foiny fahavelony. Tsy asiana fatotra ilay faty fa amboarina tsara fotsiny ny lamba ka apetraka anaty vatapaty vita amin’ny hazo. Mangady lavaka avy eo ka alatsaka ilay vatapaty ary totofana tany.
5 taona aorian’ny fandevenana, miroso amin’ny fomba « magnokatra ». Mila taona maromaro mantsy vao levona ny nofo sy ny taova rehetra. Avoaka ny vatapaty angalana ireo taolana maina. Avondrona anaty vatakely avy eo ireo taolana (tsy atsotra intsony) ka tsy totofana tany intsony. Izany hoe tsy mandavaka intsony. Apetraka amin’ny tany marina fotsiny ilay vatakely na taolana mifono lamba, ka andrafetana efajoro mihidy vita amin’ny akora maharitra. Mila simenitra sy fasika amin’izany. Maro ireo manisy « carreaux » mihitsy mba hahatsara endrika ilay fasana. Tsy ho kitihina intsony mantsy ilay razana. Ny lakroa moa dia efa haingom-pasana mahazatra, na mpivavaka ilay maty sy ny fianakaviany na tsia. Aorian’izany Fagnokarana izany, azo atao tsara ny mangataka fitahiana. Tsy mbola antenaina hitahy izany ny « faty lena ».

Fikarakarana Razana

Samy manana ny fombany ny fianakaviana na vondrona tsirairay, na samy Antenosy izao ihany aza. Amin’ny ankapobeny dia mila Joro ny Magnokatra razana. Izany moa dia entina anajana ny razambe, sady ampidirana ny maty ho isan’ireo mitahy amin’izay, mba hanasoa ny velona. Misy ny fety atao, izay anasana fianakaviana sy amonoana omby. Samy manana ny fari-piainany nefa ka misy ireo tsy afaka mamono omby, fa mividy amin’ireo mpivarokena izay lanja-kena zakany. Misy mivelona amin’ny famonoana sy fivarotana omby rahateo amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitr’i Sainte-Marie. Tsy dia fanao ny mihinana kisoa, indrindra raha manatanteraka Joro. Tsy ataotao foana ny fomba fa misy lovantsofina sy fitsipika mila hajaina.
Rehefa misy maty moa ao Sainte-Marie, tsy dia andrasana ela loatra ny razana fa iray na roa andro eo ho eo. Tsy zatra mampiasa « formol » ny mponina, raha tsy ho an’ireo faty mbola Alefa amin’ny faritra hafa na iandrasana havana avy lavitra vao alevina.

Lire la suite

Articles Similaires