• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Reny&Zaza

Reny miasa : Ireo tsara fantatra mikasika ny « congé de maternité »

10/05/2024 10:39 © Moov.Mg

Maro tokoa ny vehivavy miasa no mbola tsy mahafantatra ny zony mandritra sy aorian’ny fiterahany. Anisan’ny zo hananany ny fahazoana « congé de maternité ». Resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « congé de maternité ».

Inona no atao hoe « congé de maternité » ?

Raha azavaina amin’ny fomba tsotra dia fe-potoana tsy hiasana nefa andraisan-karama omena ny vehivavy tera-bao mba hiverenan’ny heriny sy hikarakarany ny zanany ny atao hoe « congé de maternité ». Voafaritra ao amin’ny andininy faha-97 anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny asa (code de travail) Malagasy moa ny mikasika azy io. Voalaza amin’izany fa maharitra 98 andro ny faharetan’ny « congé de maternité ».

Ahoana ny fomba famaritana ny fotoana hakana « congé de maternité » ?

Avy amin’ny alalan’ny DPA omen’ny mpitsabo na rasazy nampisafo no hiaingana amin’ny famaritana ny fe-potoana hakana ny « congé de maternité ». Mizara roa lehibe moa izany fe-potoana izany.
Ny tapany voalohany dia ilay atao hoe « congé prénatal » izay manomboka 42 andro alohan’ny DPA. Fe-potoana natokana hakan’ny bevohoka aina sy hiomanana amin’ny fiterahana izy io.
Ny tapany faharoa dia ny « congé postnatal ». 56 andro aorian’ny « congé prénatal » no faharetany. Io fe-potoana io no azon’ny reny tera-bao mba hameranana ny ainy sy ahasitranany ary koa hikarakarainy ny zazany vao teraka.
Maro ireo manatsotsotra ny fanisiana ny « congé de materinté » ho 14 herinandro mitohy. Izany hoe 6 herinandro alohan’ny DPA ary 8 herinandro aorian’ny DPA. Matetika nefa lasa misy 8 andro ambiny tokony mbola tsy hiverenana miasa tsy tafiditra anatin’io kajy eo. Mila mikajy tsara noho izany rehefa maka « congé de materinté » satria tokony maharitra 98 andro feno izany.
Marihana fa rehefa miverana miasa ny reny tera-bao dia manana zo haka ora 1 isan’andro ahafahany mampinono ny zanany, ka izay no atao hoe « droit d’allaitement ». Maharitra mandrapahafeno 15 volana ny zaza moa io fe-potoana io. Azo alaina rehefa maraina alohan’ny fidirana miasa na rehefa hariva alohan’ny firavana moa io ora 1 io.

Lire la suite

Articles Similaires