• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Bio À La Une.Png
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voankazo maina : Fantaro ireo tombontsoa 5 ho an'ny fahasalamana

26/04/2024 19:38 © Moov

Voaloboka, paoma, akondro, mananasy, daty, ... Maromaro ireo voankazo maina amidy eny an-tsena. Sady natao ho an'ny fahefa-mividy rehetra izy ireny no mitondra voka-tsoa maro ho an'ny fahasalamana ihany koa.

Manankarena vitamina

Misy vitamina A, B sy C ny voankazo maina. Mampatanjaka izany sady mampitombo ny hery fiarovana ao amin'ny vatana. Raha reradreraka iny dia tsara raha mihinana voankazo maina kely. Na 50 grama monja aza dia hahazoana vokatra tsara.
Misy "potassium" ihany koa ony voankazo maina. Io singa io dia mahasoa ny taolana, sady misoroka "calculs rénaux".

Misy kalsioma

Tena mila kalsioma tokoa ny vatan'olombelona. Raha voankazo maina 100 grama izao dia misy kalsioma 0,18 grama eo ho eo. Mampirindra ny fikorian'ny rà sy ny fiasan'ny atidoha moa ny kalsioma. Raha tsy mahazaka vokatra avy amin'ny ronono izany dia azo atao tsara ny mihinana voankazo maina hahazoana kalsioma.

Misoroka ny aretin'ny fo

Anisan'ireo aretina sarotra tsaboina ny aretin'ny fo. Misoroka izany indrindra ny fihinanana voankazo maina. Manankarena Omega 3 mantsy izy ka mampihena ny tahan'ny "cholestérol" ao amin'ny vatana sy ny olana mifandraika amin'ny fo. Azo atao tsara ny manisy voankazo maina amin'ny sakafo aroso mangatsiaka toy ny salades sy ny mofomamy isan-karazany.

Mandanjalanja ny tahan'ny siramamy

Sahirana tokoa ireo diabetika mikaroka voankazo tsy mampitombo firy ny tahan'ny "glycémie". Raha voankazo maina no safidiana dia tsy misy atahorana intsony. Manampy ny vatana amin'ny fandanjalanjana ny tahan'ny siramamy mantsy izy. Raha te hihinana voankazo roa na telo isan'andro, mety tsara ity fangaro ity : daty voaniny 3, voaloboka 2 sotro, paiso maina 2 sotro.

Manamora ny fandevonan-kanina

Be "fibres" ny voankazo maina. Izany indrindra no ilazana fa afaka manampy ireo taova fandevonan-kanina izy. Raha mahatsapa fa nihinana sakafo mavesatra dia tsara raha mandray voankazo maina avy eo.
Tsara hatrany ny mametra ny fatran'ny voankazo maina hanina isan'andro. Tokony ho 50 hatramin'ny 100 grama isan'olona ny fatra raisina isan'andro. Amporisihina ny tsirairay hisotro rano betsaka, isorohana ireo aretina isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo