• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Blog Soin Et Nature
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mandravasarotra : zavamaniry fanao fanafody tsara ho fantatra

15/04/2024 10:27 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa maheno matetika ny anarana hoe « Mandravasarotra ». Zavamaniry iray vokatra eto Madagasikara moa izy io ary efa fampiasan’ny Ntaolo amin’ny fanaovana raokandro. Maro ny vokatsoa azo amin’ny fampiasana azy. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny mandravasarotra sy ireo vokatsoa entiny hoan’ny fahasalamana.

Inona tokoa moa ny mandravasarotra ?

« Plante endémique » an’i Madagasikara ny mandravasarotra. Izany hoe zavamaniry izay vokatra eto amintsika irery ihany izy io. Antsoina ihany koa hoe « Cinnamosma fragrans » na Saro, ny mandravasarotra dia miavaka amin’ny fofony mahery izay toy ny fitambaran’ny fofona kanelina sy voasary makirana. Efa ela no nampiasan’ny Ntaolo ny mandravasarotra nentina nitsaboana karazana aretina maro.

Inona avy ary ny vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny mandravasarotra ?

Zavamaniry fanao fanafody efa ampiasain’ireo « laboratoires » maro eto amintsika ny mandravasarotra noho izy fantatra fa afaka mitsabo aretina maro. Anisan’ny vokatsoa ara-pahasalamana voalaza fa azo amin’ity zavamaniry ity ny :
-Fanadiovana, fanatanjahana ary fitsaboana ireo taova samihafa ao anaty, toy ny vavony, ny voa, tranon-jaza sy ny aty ;
-Fanalana ny poizina izay mety tafiditra ao amin’ny vatana ;
-Fampitomboana ny hery fiarovana ;
-Fanasitranana ireo faritra manaintaina na mangotsoka ;
-Fanatanjahana ireo hozatra matoritory ao anaty sy mampitony ny havizanana ;
-Fampitoniana sy fanalana ireo « allergies » ao anaty na ireo miseho ivelany amin’ny vatana ;
-Fampihenana ny tahan’ny siramamy be loatra ao anaty ;
-Fampitoniana ny fanaintainana amin’ny lamosina ;
-Fanesorana ireo menaka maloto mitondra tavy ao amin’ny vatana.

Ahoana ny fomba fampiasana azy ?

Misy karazany telo samihafa ny fomba fampiasana ny mandravasarotra. Ny voalohany dia ny fitanihana ny raviny mba ahazoana tambavy. Ny faharoa kosa dia ny fitanehana izany raviny izany hanaovana hevoka. Ny farany moa dia ny fampiasana ny vokatra miendrika menaka na « baume » vita amin’ny mandravasarotra ka iny no ahosotra amin’ny faritra mila tsaboina, toy ny tenda, ny tratra, ny lamosina…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo