• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © La Vie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tombontsoa azo avy amin’ny fihinanana « dattes »

12/04/2024 11:14 © Moov.Mg

Voankazo isan’ny mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny « dattes ». Tsara ho an’ny rehetra ity voankazo ity fa ny mpanao fanatanjahantena sy ny bevohoka moa no tena entanina hinana azy ireny. Fa inona tokoa moa ny « dattes » ary inona avy ireo vokatsoa azo avy aminy ?

Inona tokoa moa izany « dattes » ?

Ny « dattes » dia voankazo azo avy amin’ny hazo antsoina hoe « palmier dattier ». Miendrika boribory lavalava izy ireo ary mamy be ny tsirony amin’ny ankapobeny. Ireo tany any Afrika Avaratra no tena mpamokatra azy io. Ny tany efitra (maina, tsy dia misy orana) no tena mahavokatra azy. Arak’izany dia maniry any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ihany koa ny « dattes ».
Misy karazany maro moa ny « dattes ». Isan’ireo fahita eto amintsika ilay karazany somary boribory endrika sy miloko volontany. Ireo karazany avy any Afrika, izay hita eny amin’ireny tranombarotra lehibe kosa dia somary lavalava, miloko volontany matsatso kokoa ary nofosona kokoa.

Inona avy ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana « dattes » ?

Voankazo iray manankarena otrik’aina ilain’ny vatana ny « dattes ». Anisan’ireo vokatsoa entiny ny :
-Fampitomboana ny hery noho izy ahitana « glucide » natoraly toy ny « glucose », « fructose » ary « saccharose ». Manampy betsaka ny mpanao fanatanjahantena izany ny fihinana « dattes » mba ampitomboana ny angovo mandritra ny fampihetseham-batana sy ampiverina haingana ny hery aorian’izany.
-Fanatsarana ny fiasa sy ny fahasalaman’ny taova fandevonan-kanina. Manankarena fibra tokoa mantsy ny « dattes ». Ny fihinanana izany dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fitohanana, indrindra eo amin’ny bevohoka izay matetika tratr’izany.
-Fanatsarana ny taolana, ny ozatra ary ny fikorian’ny rà noho izy ahitana mineraly maro toy ny « calcium », « fer », « magnésium »… Ireo singa ireo dia miantoka tanteraka ny fahasalaman’ny vatana sy ny fiasany ara-dalàna.
-Fampitomboana ny hery fiarovana noho ny fisian’ny vitamina B6 sy « antioxydant » amin’ny tahany ambony ao aminy. Ankoatra izay dia miaro ireo sela tsy ho simba ary mitazona ny hoditra ho salama ny « dattes » noho izy manankarena « antioxydant ».
-Fanampiana amin’ny fanamorana ny fiterahana noho izy voalaza fa manalefaka ny vozon’ny tranon-jaza.

Ahoana ny fomba fihinanana ny « dattes » ?

Marihana fa voankazo tena mamy tokoa ny « dattes ». Noho izay antony izay dia asiana fetra ihany ny fihinanana azy. Izany hoe tokony ho manodidina ny singany 7 isan’andro mandritra ny herinandro ary mihato kely mandritra ny herinandro iray na roa indray vao mihinana.
Ho an’ny bevohoka kosa dia afaka mihinana singany 3 indroa isakan-kerinandro manomboka eo amin’ny faha 4 volana hitondrana vohoka. Afaka hanina isan’andro izany mandritra ny faha 7 volana. Tsy adinoina ny misotro rano betsaka sy miborosy nify tsara rehefa avy mihinana « dattes ». Tsy dia tsara mihinana azy be loatra kosa nefa ny olona diabetika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo