• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoan’ny fifadian-kanina ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

12/04/2024 10:06 © Moov.Mg

Fomba fanao efa nisy hatry ny ela ny fifadian-kanina. Raha ny eto amintsika dia ny tontolo ara-pinoana no tena nampiharana izany. Marihana nefa fa efa maro ireo manam-pahaizana any ivelany no nampihatra izany teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Fantatra tokoa mantsy fa maro ireo vokatsoan’ny fifadian-kanina ho an’ny vatana sy ny fahasalamana.

Inona tokoa moa no atao hoe fifadian-kanina ?

Ny fifadian-kanina dia ny fiatoana mihinana sy misotro, na ny iray amin’ireo, mandritra ny fotoana voafaritra. Izany hoe, na mifady sakafo sy zava-pisotro, na mifady sakafo fa afaka misotro rano, mandritra ny fe-potoana iray voafetra. Araka ny voalaza teo ambony moa dia ireo karazana fivavahana no tena mampihatra izany. Ankehitriny dia efa misy ireo karazana « régimes » mampihatra azy io. Ankoatra izay dia ampiasaina betsaka amin’ny fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana ny fifadian-kanina. Fa inona kosa ary ireo vokatsoa entin’izany ?

Manampy amin’ny fampihenana vatana

Ny fifadian-kanina, indrindra ny mifototra amin’ny atao hoe « jeûne intermittent », dia manampy betsaka amin’ny fampihenana tena. Ity karazana fifadian-kanina ity dia mametra ny fotoana ahafahana misakafo mba ampiasan’ny vatana ireo tahirin’ny tavy ao anatiny amin’ny famoronana angovo sy hery. Mazava ho azy fa rehefa miasa ara-dalàna ireo tavy miangona ao amin’ny vatany dia lasa mihena ho azy ilay olona. Rehefa zatra io fifadian-kanina io ihany koa ny vatana dia lasa mihena ny fahatsapana hanoanana sy ny fitiavana mihinan-kanina antenantenam-potoana.

Manatsara ny toe-batana amin’ny ankapobeny

Misy fiantraikany tsara eo amin’ny lafiny maro amin’ny toe-batana ny fanaovana fifadian-kanina. Anisan’izany ny fandaminana ny tahan’ny siramamy anaty rà ka mampihena ny risika ahazoana diabeta. Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny « mauvais cholestérol » sy amin’ny fampitomboana ny « bon cholestérol » ihany koa izany ka mandray anjara amin’ny fisorohana ny fahatsentsenan’ny lalan-drà.

Manamafy ny hery fiarovana

Ny fifadian-kanina dia mandrisika ny famokarana sela vaovao mandrafitra ny hery fiarovana amin’ny vatana. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fanesorana ireo sela simba ihany koa izany ka manamafy ny hery fiarovana. Noho izany dia mandray anjara amin’ny fahafahan’ny vatana miady amin’ireo otrikaretina ny fizarana manao fifadian-kanina.

Miaro ny atidoha ary manatsara ny fiasana

Maro ireo voka-pikarohana manambara fa misy fiantraikany amin’ny fiarovana ny atidoha ny fanaovana fifadian-kanina. Manampy indrindra amin’ny fampihenana ny risika ahavoa ny aretina mitaiza mahazo ny atidoha, toy ny « Alzheimer » sy ny « Parkinson » ny fanaovana izany. Voalaza ihany koa fa manatsara ny fifantohana sy ny fitadidiana ny fizarana mifady hanina mandritra ny fotoana voafetra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo