• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « cake à la banane »

09/04/2024 16:35 © Moov.Mg

Nahandro iray azo atao « goûter » sy afaka atao fitadiavam-bola ny « cake à la banane ». Raha efa mahay manamboatra « cake » moa dia tsy ananosarotra ny fikarakarana azy. Ho an’ireo mbola vao hianatra moa dia atoro eto ny fanamboarana « cake à la banane ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « cake à la banane »

-Akondro masaka tsara 3 ;
-Lafarina 200g ;
-Siramamy mena 100g ;
-Atody 2 ;
-Dibera natsonika 80g ;
-« Levure chimique » 1 sotrokely ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana atao amin’ny fikarakarana ny « cake à la banane »

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Osorana dibera sy lafarina ny « moule » fanaovana « cake ».
Voasana ary potserina amin’ny sotrorovitra ao anaty lovia jobo ireo akondro. Atao malemy tsara tsy misy mivaingambaingana intsony.
Arotsaka ao anatin’ny akondro nopotserina ny siramamy mena sy ny atody. Afangaro tsara amin’ny « fouet » na amin’ny sotrobe hazo.
Manarak’izay dia arotsaka ao anatin’io fangaro io ny dibera natsonika ary aroharoana tsara mandrapahazoana fangaro malama tsara.
Afangaro anaty lovia jobo iray hafa ny lafarina, ny « levure chimique » ary ny sira. Arotsaka tsikelikely ao anatin’ilay fangaro misy akondro ireto farany sady aroharoana moramora ihany. Tsy azo aroharoana be loatra.
Rehefa vonona ny paty dia arotsaka ao anaty « moule à cake ». Ampidirina anaty lafaoro ary andrahoina ao mandritra ny 50 hatramin’ny 60 minitra. Tsindromina kely amin’ny lohan’antsy ny « cake » ka raha tsy misy paty manaraka intsony dia masaka izy izay. Avela mangatsiaka tsara vao esorina amin’ny « moule ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo