• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Club Of Wine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « Doritos » na ny atao hoe « chips nachos »

08/04/2024 08:42 © Moov.Mg

Mankafy ireny « Doritos » ireny avokoa ny ankamaroan’ny ankizy, eny na ny lehibe. Karazana tsakitsaky atao hoe « chips nachos » moa izy ireny ary avy any Mexique any no nipoirany. Atoro eto ary ny fomba tsotra fanamboarana « Doritos » na « chips nachos » ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « chips nachos »

-Lafarina avy amin’ny varim-bazaha (farine de blé) 100g ;
-Lafarina avy amin’ny katsaka (farine de maïs » 100g ;
-Rano 14sl ;
-Menaka oliva 4 sotro fihinanana ;
-Episy iray amin’ny « cumin », « paprika » na « curry »
-Sira.

Fomba fikarakarana azy

Arotsaka anaty lovia jobo lehibe (saladier) ny lafarina varim-bazaha, lafarina katsaka, rano, menaka oliva sy ny sira. Volavolaina amin’ny tanana mba hifangaro sy hitambatra tsara izy rehetra. Raha ny tokony ho izy dia tsy misy manaraka amin’ny tanana fa mitambatra tsara.
Tsy avela hilona fa tonga dia fisahana ny paty. Mampiasa « rouleau pâtissier » mba ho fisaka tsara sy tsy hiparitaka ny paty. Ezahana atao manify faran’izay tratra. Aorian’izay dia fafazana ny episy nosafidiana ary averina kosehina amin’ny « rouleau » indray mba hiraikitra tsara ilay episy.
Rehefa vita izay dia zarazaraina ho lasa telo zoro be dia be ilay paty. Tsara raha antsy maranitra tsara na « spatule » vy no ampiasaina handidiana azy. Manarak’izay dia miditra amin’ny fandrahoana ny « chips nachos » amin’izay. Afaka endasina na atao anaty lafaoro arak’izay itiavana azy.
Raha endasina dia afanaina anaty lapoaly ny menaka. Rehefa mafana tsara dia arotsaka ny paty. Atao toy ny manendy « chips » tsotra ihany. Rehefa masaka dia loarana ambony « essui tout » mba hitsiaka ny menaka. Raha toa ka atao anaty lafaoro indray dia andrahoina ao mandritra ny 20 minitra eo ho eo amin’ny hafanana 160°C.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo