• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Super-Marmite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Palourde royale : Tekateka lehibe, azo hanina manta na andrahoana

06/04/2024 08:14 © Moov

Samy ahitana tekateka avokoa raha ny faritra rehetra eto Madagasikara. Kelikely ny fahitantsika satria eo ho eo amin'ny 5 santimetatra. Any Asia any kosa nefa dia misy tekateka tena lehibe, hatrany amin'ny 1 na 2 metatra.

Ny "palourde" dia ilazana ny tekateka, saingy misy karazany maro izy, arakaraka ny habeny. "Mollusque marin" izy io satria biby anaty akora izay miaina any anaty ranomasina. Manaitra maso izy ity satria dia toy ny taovam-pananahan'ny lehilahy ny endriny.
Ny "Panopea generosa" na "palourde royale" no mirefy 15 hatramin'ny 20 santimetratra ny akorany, ary rehefa mivoaka ilay biby dia mahatratra hatramin'ny iray metatra. 140 hatramin'ny 160 taona ny fahavelomany. Any amin'ny firenena aziatika, toy ny any Philippines, Chine, Japon, Corée no tena ahitana azy.

Fihinanana "palourde royale" any Azia

Misy ireo mpiompy tekateka, ka mivarotra izany avy eo. Tsy ireo tena lehibe nefa no amidy, fa ireo antonontonony, izany hoe 20 santimetatra eo ho eo ny ao anaty akora.
Samy manana ny fomba fikarakarany ny "palourde royale" ireo mpankafy sakafo asiatika. Mba hitandrovana ny fahasalamana dia tokony tekateka mbola velona no vidiana, ary aorian'ny fikarakarana azy dia hanina avy hatrany. Misy ireo mandroso azy manta, ary misy kosa mahandro azy toy ny trondro mihitsy.
Ireo mpikarakara sakafo matihanina any Korea sy Japana ohatra dia mandroso azy toy ny "sashimi", izany hoe trondro manta tetehina manify, afangaro amin'ny saosy soja na vinaigrety na hanitra isan-karazany, ary aroso miaraka amin'ny "crudités". Anisan'ny sakafo aziatika mafilotra ihany koa ny lasopy misy tekateka.


Copyright Image : © Association des Plaisanciers

Tsara ny manamarika fa raha andrahoana ny tekateka dia tsy avoaka anaty akorany. Raha karakaraina miaraka amin'ny saosy mafana ilay tekateka dia ny akorany ambony ihany no esorina. Afo malefaka moa no andrahoana azy, ary azo atao anaty lafaoro tsara, arakaraka ilay nahandro tiana karakaraina.

Fitandremana amin'ny fihinanana tekateka

Na kely na lehibe ny tekateka hanina dia tokony hita mipelipelika tsara izy rehefa vidiana. Raha sanatria tsy mihetsika na masiso ilay biby dia tsy azo karakaraina intsony. Mila sasana tsara io biby io satria misy fasika. Alona ao anaty ranon-tsira mandritra ny dimy minitra fara-fahelany ny tekateka. Tsy azo ajanona elabe ao anaty rano satria mety hahafaty azy izany.
Ho an'ireo olona somary sarotiny dia tsara raha mihinana voasary makirana aorian'ny fihinanana tekateka.
_Ireto avy ireo singa mahasoa entin'ny tekateka ho an'ny fahasalamana : _
-Vitamina B12, manampy ny vatana amin'ny famoronana "globules rouges" ;
-Oméga 3, mampirindra tsara ny fiasan'ny vatana, indrindra ny fikorian'ny rà, sady misoroka ny aretim-po. Tsy adino ny fikolokoloana ny fitadidiana ;
-Zinc, mampitombo ny hery fiarovana ;
-Kalsioma, mahatsara ny taolana sy ny fikorian'ny rà.


Copyright Image : © Pecheur.info

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo