• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Onglerie Pédicure Nyon
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « mycose des ongles »

05/04/2024 14:17 © Moov.Mg

Aretin’ny hoho isan’ny mahavoa olona maro ny « mycose des ongles ». Samy mety ho voan’izany avokoa na ny hoho tanana na ny hoho tongotra. Ahoana ny fisehon’ny « mycose des ongles » ? Inona ny antony mahatonga azy ary ahoana ny fitsaboana sy fitandremana tokony atao ?

Ireo fambara ny « mycose des ongles »

Maro ireo karazana aretina mahazo ny hoho ka isan’ireo fahita matetika ny « mycose des ongles ». Anisan’ny fambara ahafantarana ity aretin’ny hoho ity ny hoe lasa :
-Miova ny lokon’ny hoho ka mivadika ho mavo, fotsy, volontana na mainty ;
-Matevina be ny hoho ;
-Miainga na miongotra ny hoho ;
-Mora tapaka na mora simba ny hoho ;
-Manaintaina manodidina ny hoho.

Ireo antony mahatonga ny « mycose des ongles »

Ny fiombo ny « champignons » eo anivon’ny hoho no mahatonga ny « mycose des ongles ». Mety mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasoana amin’ny olona iray tratry ny « mycose des ongles » na ny fikasihana ireo zavatra nokitihany ny « champignons » mahatonga ity aretin’ny hoho ity. Isan’ireo toerana mora ahazoana izany indrindra ny tany mando ao amin’ny efitra fandroana sy ny dobo filomanosana.
Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo anton-javatra mampitombo ny risika ahazoana ny « mycose des ongles », anisan’izany ny :
-Fahanterana ;
-Diabeta ;
-Hery fiarovana ambany ;
-Sarotin-katsembohana ;
-Fanaovana kiraro mihidy lava.

Ny fomba fitsaboana ny « mycose des ongles »

Miankina betsaka amin’ny hamafin’ny aretina ny fitsaboana ny « mycose des ongles ». Misy ireo fanafody ahosotra ary misy ihany koa ireo fanafody atelina. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fitsaboana amin’ny alalan’ny « laser » mba amonoana ireo « champignons ». Mazava ho azy fa mila manantona mpitsabo ny fitsaboana ity aretin’ny hoho ity satria tsy sitrana ho azy izany. Raha tsy misy ny fandraisan-tanana dia mety miombo izany ka miafara amin’ny fiongotan’ny hoho tanteraka.

Ireo torohevitra hisorohana izany

Azo atao tsara ny misoroka ny « mycose des ongles ». Anisan’ireo zavatra azo atao ho fanatanterahana izany ny :
-Fitazomana ny hoho ho madio sy maina lalandava ;
-Fanapahana ny hoho ho fohy sy mahintsy ;
-Famerana ny fotoana anaovana kiraro mihidy ;
-Fanaovana kapa na kiraro misokatra ny lohany rehefa mandeha amin’ny toerana mandomando ;
-Tsy mifampindrana fanapahana hoho ;
-Fanadiovana sy fanamainana tsara ny tany ao amin’ny efitra fandroana sy ny « baignoire ».
Raha mahatsikaritra ny iray na roa amin’ireo fambaran’ny « mycose des ongles » dia manantona mpitsabo avy hatrany fa tsy tokony mangatak’andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo