• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Parents.Fr
Image
Asa & Fianarana

Tanora tsy mety mandeha mianatra intsony : ahoana ny atao ?

07/02/2024 14:05 © Moov.Mg

Toe-javatra fahita eny amin’ny fiarahamonina eny tokoa ny hoe tsy mety mandeha mianatra intsony ny tanora iray. Fa inona tokoa ny antony mety mahatonga izany ? Inona ny vahaolana azo anampiana ny ray aman-dreny manoloana izany ?

Ny antony mety mahatonga ny tanora tsy mety handeha hianatra intsony ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny tanora tsy hety handeha hianatra intsony. Isan’ireo antony lehibe mety hitarik’izany ny tahotra na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe « phobie scolaire ». Misy anton-javatra samihafa mety mitarika izany tahotra manoloana ny fianarana izany, anisan’izany ny :
-Tahotra ny ahazo vokatra ratsy ao an-tsekoly ;
-Ny fampijaliana na ny fampihororoana ataon’ny mpiara-mianatra ao an-tsekoly na rehefa ivelan’ny faritry ny sekoly ;
-Fampitahorana na fanalam-baraka ataon’ny mampianatra ao am-pianarana ;
-Tahotra ny fitsaran’ny hafa ao an-dakilasy ;
-Sns…
Ny antony faharoa mety mampalaina ny tanora handeha hianatra dia ny fiovana nisy teo amin’ny fiainana na ny ankohonana izay nanamarika azy sy mahatonga tebiteby na rarin-tsaina eo aminy, toy ny :
-Fiovana trano fonenana nahatonga azy nandao ny namany, ny sekoliny taloha ;
-Aretina na fahafatesan’ny olona akaiky, toy ny ray, reny, iraim-tampo ;
-Disadisa sy adiady lava eo anivon’ny ankohonana, fisaraham-panambadian’ny ray aman-dreny ;
-Fitakiana vokatra tsara ao an-tsekoly ataon’ny ray aman-dreny lasa mitarika rarin-tsaina sy tahotra.

Ny fomba fisehon’ny « phobie scolaire » eo amin’ny tanora

Marihana fa tsy mitranga tampoka ny fandavan’ny tanora hanohy ny fianarana. Miseho miandalana amin’ny fomba maro samihafa izany ary matetika noho ny « phobie scolaire ». Toy izao ary ireo fambara tokony hanaitra ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra :
-Matahotra dinihana, kihanina na tsarain’ny mpiara-mianatra na ny mpampianatra ;
-Misintaka ny toe-javatra ilaina fandraisam-pitenenana, ny fanaovana fanadinana ;
-Tsy mitokatokana tsy tia mifangaro amin’ny hafa any an-tsekoly ;
-Mampiseho endrika malahelo, tezitra sy tsy mivaky loha amin’inon’inona. Mahatsapa tena ho tsy manan-danja ka lasa mora kiriana na tia mampijaly ny hafa ;
-Very ny fahatokisan-tena ka lasa tsy mazoto handeha hianatra intsony;
-Manao "crise d'angoisse", mipararetra, mitomany na tezitra mafy manohatra amin'ny hery rehefa terena handeha hianatra.

Inona no atao manoloana ny tanora tsy mety mianatra intsony ?

Mba hanampiana ny tanora tsy mety mandeha mianatra intsony dia mila miezaka aloha ny ray aman-dreny mamantatra ny antony nanosika azy ho tonga amin’izany fanapahan-kevitra izany. Fantarina ny trangam-piainana na ny « phobie scolaire » nitarika azy tsy hazoto handeha hianatra intsony. Rehefa fantatra izany antony izany dia miresaka milamina aminy.
Tsy azo atao ny mitratrevatreva aminy fa miresaka am-pitoniana sy am-pitiavana. Mila atao fantany fa mahatoky azy sy manohana azy hatrany ny ray aman-dreniny. Manampy betsaka ihany koa ny fanantonana ireny « psychologues » ireny hanampiana azy hatoky teny indray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo