• Cours de change
  • 4794.18 AR
  • |
  • $4461.87 AR
Copyright Image : © Anyah
Image
Asa & Fianarana

Zanaka hanala fanadinana : zava-dehibe ny fampitaovana azy ireny

28/06/2024 09:28 © Moov.Mg

Andro vitsy sisa no isaina dia hanomboka ny fanadinana BEPC. Ankoatra ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ny zanaka hanala fanadinanana dia zava-dehibe ihany koa ny fampitaovana azy ireny. Inona ary ireo zavatra tsara homanin’ny ray aman-dreny ho fampitaovana ny zanaka hiatrika fanadinana ?

Ny fitaovam-pianarana ampiasaina mandritra ny fanadinana

Fomba iray entina hanohanana ny zanaka hiatrika fanadinana BEPC ny fanomezana azy ireo fitaovam-pianarana rehetra ilainy amin’ny fanadinana. Miteraka tebiteby ho azy tokoa mantsy ny tsy fahampian’izany fitaovana izany. Marina fa efa misy ireo fitaovam-pianarana nampiasaina nandritra ny taom-pianarana. Mila jerena kosa raha sendra misy simba na efa lany izy ireny ka mila mividy vaovao. Anisan’ireo fitaovana tsy azo idivirana ny penina, ny pensily hazo, ny gaoma, ny fitsipika isan-karazany, ny « compas »… Tsy lafo vidy izy ireo ka tsy tokony atao tsirambina satria miantoka indrindra amin’ny filaminan-tsaina sy ny fahatokisan-tenan’ny zanaka hiatrika fanadinana.

Ny fitafy mafana tsara

Hiaraha mahalala fa anatin’ny vaninandro ririnina tanteraka isika izao. Mila omanina dieny izao noho izany ny fitafy entin’ny zanaka hanao fanadinana BEPC. Fantenina tsara ireo akanjo mampahazo aina azy ary indrindra mampafana azy entiny hiatrika fanadinana. Misy amin’ireo ankizy tokoa mantsy no mitebiteby rehefa handeha hanala fanadinana. Raha tsy ampy ny akanjo mafana hanaovany dia mety vao mainka hangovitra izy ka manjary tsy ahavita mifantoka na sahirana manoratra. Tsy voatery mividy fitafy vaovao akory fa izay hanany ao no sasana mialoha mba ho maina sy vonona amin’ny fotoan’ny fanadinana. Raha misy kosa ny enti-manana dia mahafaly sy manome risi-po ho an’ny mpanala fanadinana ny fividianana fitafy sy kiraro vaovao ho azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo