• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Cnfce
Image
Asa & Fianarana

Mpiasa birao : fisorohana ny vokadratsy ateraky ny fipetrahana lava

29/01/2024 11:20 © Moov.Mg

Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny fipetrahana lava mandritra ny ora maro. Ireo olona miasa birao moa matetika no tena voakasik’izany. Fa inona tokoa ny mety ho fiantraikan’ny fipetrahana lava sy ny fomba atao hisorohana izany ho an’ireo mpiasa birao ?

Ireo fiantraikan’ny fipetrahana lava ho an’ireo mpiasa birao

Rehefa mipetraka foana mandritra ny ora maro ny olona iray dia mijanona tsy miasa araka ny tokony ho izy ny vatana. Mazava ho azy fa mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana izany rehefa ela ny ela. Anisan’ireo vokadratsy mpahazo ny mpiasa birao mipetraka lava ny :
-Hatavezana diso tafahoatra (obésité) ;
-fipoitran’ny diabeta ;
-fitrangan’ny aretina mahazo ny taolana toy ny « ostéoporose » ;
-fanaintainan’ny lamosina ;
-fitrangan’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà.

Ny fomba atao mba hisorohana ireo vokadratsin’ny fipetrahana lava

Mila mihetsiketsika matetika ny vatana mba hisorohana ny vokadratsin’ny fipetrahana lava. Tsy mora nefa ny manatanteraka izany ho an’ny mpiasa birao. Amin’ny ankapobeny dia miasa manditra ny adiny valo ireto farany ary manana adiny iray na roa hakana aina sy hisakafoanana rehefa atoandro. Izany hoe mipetraka mandritra ny adiny enina na fito eo ho eo izany ny ankamaroany isan’andro.

Miasa eo am-pitsanganana

Tamin’ny andro taloha dia natao teo am-pitsanganana avokoa ny karazana asa rehetra. Ankehitriny dia efa maro any ivelany ireo mpiasa birao no miverina mampihatra izany fomba fiasa izany. Mampiasa latabatra manokana izy ireo hiasana amin’ny solosaina ka tsy voatery mipetraka lava fa afaka miasa mitsangana. Tsara ihany kosa nefa raha ampifandimbiasana ny mitsangana sy ny mpitraka mba ahafahan’ny vatana maka aina tsindraindray.

Mitsangana matetika

Ho an’ireo mpiasa birao mbola tsy afaka mampihatra ilay miasa eo am-pitsanganana dia ilaina ny mitsangana matetika hialana amin’ilay mipetraka maharitra loatra. Tsara ohatra raha atao amin’ny kaopy na vera ny rano sotroina ka isaky ny lany izany dia mitsangana indray maka. Azo atao ihany koa ohatra ny mitsangana rehefa mila miresaka amin’ny mpiara-miasa. Raha mahazo antso amin’ny finday dia manararaotra mitsangana mihataka kely ny solosaina rehefa mandray ny antso.

Miankina tsara rehefa mipetraka

Anisan’ny antony mahatonga fanaintainan’ny lamosina sy ny valahana eo amin’ny mpiasa birao mipetraka lava ny tsy fahaizana mipetraka tsara eo amin’ny seza fiasana. Mila atao miankina tsara ny lamosina mba tsy hivokoka ny lamosina sy ny hatoka. Atao antonony tsara ihany koa ny ahavon’ny solosaina eo anoloana, izany hoe tsy avo loatra nefa tsy iva loatra ihany koa fa atao mifanintsy tsara amin’ny loha.

Ahinjitra ny tongotra sy ny tanana rehefa fotoana fakana aina

Rehefa tonga ny fotoana fakana aina dia ahinjitra tsara ny tongotra sy ny tanana mba tsy ho torovana. Tsy voatery rehefa fotoanan’ny fisakafoanana atoandro ihany no manararaotra maka aina kely sy manao izany fanazarana kely izany. Azo atao tsara izany rehefa mandeha mankany amin’ny toeram-pivoahana na koa rehefa mila mamonjy biraon’ny mpiara-miasa any amin’ny rihana hafa ohatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo