• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Semana.Com
Image
Madagasikara

Tontolo iainana : ny vahaolana amin’ny fandotoana ateraky ny plastika

05/06/2023 15:19 © Moov.Mg

Ankalazaina ny faha-5 jona isan-taona ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Nosafidiana manokana ny foto-kevitra « vahaolana amin’ny fandotoana ateraky ny plastika » tamin’ity taona 2023 ity. Ndeha ho resahina ny fiantraikan’izany fandotoana ateraky ny plastika izany raha ny eto Madagasikara manokana sy ny vahaolana hanenana izany.

Ny fiantraikan’ny fandotoana ateraky ny plastika eto Madagasikara

Maro ireo sehatra ampiasana ny vokatra plastika raha ny eto Madagasikara manokana, na ao an-tokantrano, any am-pianarana na amin’ny toeram-piasana… Ny tavoahangy sy ny harona plastika no anisan’ireo vokatra miteraka fako plastika indrindra eo amintsika. Rehefa tapitra tokoa ny ilàna azy ireny dia voatery ariana izy ireny. Maro ihany koa isika no mbola manary azy ireny eny rehetra eny.
Marihana nefa fa mety maharitra hatramin’ny 400 taona ny androm-piainan’ny plastika. Rehefa ariana eny amin’ny fitoerana fitobiam-pako ny fako platsika dia mety miparitaka eny amin’ny tontolo rehetra eny ary ela tokoa vao levona. Raha ny ety amin’ny renivohitra moa dia tsikaritra fa mbola maro ireo manary azy ireny eny rehetra eny.
Vokatr’izany, maro ireo loto miparitaka eraky ny tanàna sy ireo fako miandrona etsy sy eroa. Tsy adinoina ihany koa ireo tatatra tsentsina izay mahatonga fiakaran’ny rano rehefa fotoan’ny fahavaratra. Satria miangona anatin’ny lalan-drano ny fako plastika toy ny « sachets », fonosana sakafo, tavoahangy… dia tsy mikoriana araka ny tokony ho izy ny ranon’orana.
Maro ihany koa ireo fandotoana ateraky ny plastika tsikaritra eny amin’ny faritra morontsiraky ny Nosy. Anisan’izany moa ireo fako plastika misy manary sy miparitaka eny amin’ny tora-pasika. Mivarina eny amin’ny ranomasina ny ankabeazan’izy ireny ka lasa mandoto ny tontolo iainana an-dranomasina. Maro ireo zava-manan’aina sempotra, marary ary maty vokatr’izany fandotoana plastika anaty ranomasina izany.

Inona ary ny vahaolana azo ataon’ny tsirairay hamerana ny fandotoana ateraky ny plastika ?

Ny fomba voalohany ahafahana mametra ny fandotoana ateraky ny plastika dia ny fampihenana ny fampiasana plastika araka izay azo atao. Rehefa miantsena dia harona vita amin’ny rafia no ampiasaina. Mety kokoa ny mividy ny zava-pisotro anaty tavoahangy vera fa tsy plastika. Ahena arak’izay atao ny fampiasana ireny vokatra plastika indray mandeha mampiasa ireny.
Raha tsy maintsy nampiasa vokatra plastika dia miezaka hatrany ny tsy hanary azy ireny eny rehetra eny. Tsara kokoa raha angonina izy ireny ary omena ireo mpandray fako plastika mba ho ahodina ho vokatra vaovao (recyclage). Efa maro ankehitriny ireo orinasa sy fikambanana eto Madagasikara manodina ny fako plastika mba hamokarana zavatra vaovao.

Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana 2023, nomarihana tao Toamasina ny an’i Madagasikara

Raha ny eto Madagasikara manokana dia notanterahina tao Toamasina ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana 2023. Ity hetsika nokarakarain’ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ity dia niompana indrindra amin’ny fanohanana ireo orinasa misehatra amin’ny fanodinana fako plastika ho lasa akora fampiasa andavanandro.
Notanterahina tamin’izany ihany koa ny fanentanana ny isan-tokantrano mba hifantina ny fako hanamorana ny fifantenana sy ny fanodinana azy ireo. Notolorana fanariam-pako vita amin’ny plastika nahodina miisa 15 ny Kaominina Mahavelona Foulpointe ho fanampiana azy amin’ny fifantenana fako.
Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, Ramatoa Isabelle Delattre Masoivohon'ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, Andriamatoa Isidore Agbokou DRR PNUD, ny Faritra Atsinanana, ny Ben’ny Tananan’i Toamasina ary ireo mpiara-miombon’antoka maro izay notronin-dRamatoa Minisitry ny Asatanana sy ny Haitao Ramatoa Sophie RATSIRAKA no nitarika izany hetsika izany tany Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo