• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Imerina Sy Ny Merina
Image
Madagasikara

Sakafo malagasy : fomba fikarakarana « manaramolotra »

27/03/2023 16:53 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro malagasy sangany sy mafilotra tokoa ny manaramolotra. Izy io moa dia sakafo iray ahitana ireo faritra matsiro indrindra amin’ny omby : lelany, rambony, vorivorin-kena ary entrecôte. Andeha ary ho jerena ny fikarakarana ny manaramolotra.

Ireo fangaro ilaina amin’ny fikarakarana manaramolotra

Ny omby no anisan’ny biby fihinana nankafizin’ny Ntaolo indrindra. Maro ireo nahandro nentim-paharazana nokarakaraina tamin’ny henon’omby, anisan’izany ny varanga sy ny manaramolotra. Raha hikarakara manara-molotra dia ireto avy ny akora ilaina :

· Vorovoron-kena
· Lelan’omby
· Entrecôte
· Rambon’omby
· Sakamalaho
· Tongolo gasy
· Tongolo
· Sira
· Menaka

Fomba fikarakarana manaramolotra

Mora karakaraina ny manaramolotra. Tetehina arak’izay itiavana azy ny lelan’omby, ny rambon’omby, ny vorovoron-kena ary ny entrecôte. Tsy atao manify sy tsy atao ngeza loatra. Atokona voalohany ao anaty vilany ny rambony sy ny vorovoron-kena, asiana sira ary rarahana rano izay mampalemy azy. Tsara kokoa raha eo ambony afo kitay na afo saribao no handrahoana azy. Rehefa hita fa somary miamalemy dia harotsaka indray ny lelan’omby sy ny entrecôte. Avela hitanika mandritra ny ora maromaro. Jerena matetika ary ampiana rano tsikelikely mba tsy ho ritra. Rehefa hita fa masaka sy mihamalemy ireo hena dia harotsaka indray ny sakamalaho, ny tongolo gasy ary ny tongolo voatetika manify. Aroso mafana miaraka amin’ny vary sy rougail ny manaramolotra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo