• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Unitbebe Family
Image
Madagasikara

Vacances misy zazakely : ireo fiomanana ilaina

28/02/2023 13:24 © Moov.Mg

Maro ireo olona tsy masahy mandeha miala sasatra miaraka amin’ny zazakely, indrindra raha mbola zaza amam-bolana. Azo atao tsara anefa izany ary tsy tokony misy atahorana rehefa vita omana ara-dalàna dia. Ireto avy ary ireo zavatra tokony omananina mba ampizotra tsara ny vacances misy zazakely.

Misafidy toerana mety amin’ny vacances misy zazakely

Tsy mbola zakan’ny zazakely ny mandeha toerana lavitra loatra, indrindra raha misafidy fitaterana an-tanety. Raha mbola amam-bolana ny zaza, tsaratsara kokoa raha tsy mihoatra ny adiny telo ny alaviran’ny dia atao. Maro ireo toerana afaka isafidianana raha ny manodidina an’Antananarivo no resahana. Mety tsara amin’ny vacances misy zazakely ohatra ny toerana toy ny Ampefy na Antsirabe. Ny lalana tsy miolakolaka be, ny alavirana antonony tsara.

Mijery ny fitaterana sahaza ny vacances misy zazakely

Mila jerena mialoha ny fitaterana safidiana rehefa andeha vacances misy zazakely. Raha manana fiara dia aleo mitondra izany. Afaka mijanona kely eny an-dalana mba tsy ho reraka na ny zaza na ny reny mitazona azy. Mila safidiana tsara ny fiara andehanana sy ny toerana ipetrahana raha tsy maintsy handeha taxi-brousse. Efa maro ny kaoperativa afaka isafidianana ka aleo fiara tsy atahorana ho maty an-dalana sy madio tsara no handehanana.

Mamandrika trano fivanianana mety amin’ny zazakely

Mila tadiavina sy fandrihana mialoha ny trano hivantanana. Maro ireo trano fandraisam-bahiny ahitana efitra mety tsara amin’ny vacances misy zazakely. Efitrano azon’andro sy misy lakozia no mety indrindra. Tsara kokoa mantsy raha sakafo voakarakaran’ny reny no omena ny zaza amam-bolana efa misakafo. Miankina amin’ny vola am-pelatanana anefa izany rehetra izany. Trano madio sy tsy mandomando no tena zava-dehibe mila tandrovana.

Atao lisitra ny entana entina

Mila atao lisitra ny entana rehetra entina mba ampizotra tsara ny vacances misy zaza kely amam-bolana. Ny fitafiana, lamba firakotra, fitaovana amin’ny fandroana, fitaovana fisakafoanana, kilalao kely, sakafon-jaza, entana ilain’ny lehibe… Ezahina tsy misy adinoina ireo fitaovana ilaina rehetra amin’ny fikarakarana ny zazakely. Raha azo atao, aleo atao anaty fitoerana mitokana ny entan’ny zaza ary fitoerana mitokana ny an’ny olon-dehibe mba ahamora ny fampirimana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo