• Cours de change
  • 5153.51 AR
  • |
  • $4483.52 AR
Copyright Image : © Sud Ouest
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fahavaratra : ireo torohevitra hiatrehana ny orana am-pitoniana

08/12/2025 09:55 © Moov.Mg

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka isika izao. Avy matetika, ary mahazana mikija, tokoa ny orana. Ilaina fiomanana sy fitandremana ny fiatrehana ny oram-be mba hisorohana ny loza na fanelingelenana samihafa mety ho aterak’izany. Ireto ary misy torohevitra vitsy tsara ampiharina mba hiatrehana am-pitoniana ny fahavaratra.

Torohevitra hiatrehana ny fahavaratra : homanina tsara ny trano

Rehefa avy be na avy matetika ny orana dia mety miteraka olana samihafa eo amin’ny trano, toy ny hoe misy mitete, hamandoana eo amin’ny rindrina… Ny rivotra mifofofo entin’ny orana aza mety hampianjera ny trano na koa hampiongotra ny tafo. Mba hisorohana ireny fahasahiranana samihafa mpitranga rehefa fahavaratra ireny àry dia ilaina ny :
-Mijery sy manamboatra ny tafo, ny lalan’ny rano, ny varavarana sy ny varavarankely dieny izao vao manomboka izao ny vanim-potoanan’ny orana ;
-Mifehy sy misoroka ny hamandoana ao an-trano. Tadiavina ireo faritra hiangonan’ny rano ivelan’ny trano izay mety mampisy hamandoana ary mikaroka ny fomba hifehezana izany. Tsy adinoina ny manokatra tsara ny varavarankely rehefa tsy avy ny orana mba hifamezivezen’ny rivotra sy hisorohana ny bobongolo ;
-Miaro ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Raha misy ny enti-manana dia tsara raha mampiasa ireny « parasurtenseurs » ireny mba hisorohana ny fahasimban’ireo fitaovana rehefa miakatra be tampoka ny herinaratra na raha sanatria misy safodrano.

Tandrovana ny fahasalamana sy ady amin’ny moka

Ny fahavaratra no fotoana tena mampirongatra ny moka sy mampiparitaka ireo aretina avy amin’ny rano maloto. Mba hiadina amin’izy ireny dia :
-Foanana avokoa ireo rano miangona manodidina ny trano. Ny moka mitondra aretina toy ny tazomoka dia mivelona sy mitombo anatin’ny rano miangona. Esorina ihany koa ireo lobolobo samihafa eny an-tokontany eny ;
-Mampiasa ody moka, « moustiquaires »… ;
-Tandrovana tsara ny fahadiovan’ny tanana, indrindra rehefa alohan’ny hisakafo. Sasana tsara hatrany ny sakafo, toy ny legioma sy ny voankazo. Tsy adinoina ny misotro rano tsara anatin’ny tontolo andro. Rano avy nampangotrahana no sotroina hisorohana ireo aretina samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires