• Cours de change
  • 5139.51 AR
  • |
  • $4435.68 AR
Copyright Image : © Cfa Esapace Concours
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ranom-bary : akora natoraly hikarakarana ny volo sy ny tarehy

19/08/2025 14:54 © Moov.Mg

Anisan’ireo akora natoraly manampy amin’ny fikarakarana ny volo ny ranom-bary. Mety avokoa na ny rano avy nanakobanana ny vary manta na ny ranom-bary vao nangotraka. Takatry ny fahefan’ny vidin’ny rehetra izy io ary mitondra vokatsoa maro ho an’ny volo. Araho ary ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Ireo vokatsoa entin’ny ranom-bary eo amin’ny volo

Ny vary dia mitahiry « amidon » amin’ny tahany 80%. Rehefa nokobanina na nampangotrahana ny vary dia mifandra ao anatin’ny rano nampiasaina tamin’izany io « amidon » io. Ity farany moa dia « glucide » manankarena « prébiotiques » sy « probiotiques » izay mandray anjara amin’ny fandanjalanjana ny « pH » ny hodi-doha.
Ireo « micro-organismes » eo amin’ny hodi-doha dia mandevona ny siramamy sy ny « amidon » avy amin’ny vary ary lasa mamokatra « protéines » sy vitamina B izay manome sakafo sy mahasalama ny volo. Ankoatra izay, ny ranom-bary mitahiry io « amidon » io dia manidy ireo « écailles » ny volo ka mahatonga ity farany manana endrika malama, malefaka sy milamina kokoa.

Ahoana ny fomba fampiasana ny ranom-bary hikarakarana ny volo ?

Maro ny fomba azo ampiasana ny ranom-bary hikarakarana ny volo :
-Atao « après-shampoing ». Rehefa avy sasana toy ny mahazatra ny volo dia hosorana ilay ranom-bary. Somary horina moramora ny hodi-doha ary avela hilona kely mandritra ny 10 minitra vao kobanina.
-Atao rano hanakonanana ny volo. Raha mampiasa « après shampoing » mahazatra rehefa avy manasala loha dia ny ranom-bary indray no hanakobanana ny volo. Rehefa vita izay dia kobanina farany amin’ny rano tsotra.
-Atao « masque ». Tsotra ny fampiasana azy. Rehefa avy nosasana sy nasiana « après shampoing » ny volo dia kobanina. Fihazina hitsiaka ny rano dia osorana ranom-bary ny volo iray manontolo. Horina moramora manao boribory ny hodi-doha. Avela hilona mandritra ny adiny 1 ora vao kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires