Resaka tatoo's art: aiza na taiza no hitanareo nahay? Inona no antony hanaovanareo na tsia? Sao mba misy manana contact na exp‚rience ho zaraina mikasika ny tatouage eto Madagasikara.Mankasitraka
Lava , izahay tsy namaky. Fa efa mba nanokatra.Tsy mampi-te hamaky izay izy tsinona koa !
Ny firenena mandroso dia ireo izay —manaja ny sotoavina nolovainy tamin'ny ray amandreny na ny razambeny ohtra ny sinoa
Ny kung fu Malagasy WISA dia nentin'i SIFU RAKOTOARIJAONA Pierre Miza‰l teto Madagasikara nanodidina ny taona 70 sy 80 ary nahazo ny fankatoavana hijoro ara-panjakana ny 10 Oktobra 1980, ary nanao ny fanazaran-tena teo Behoririka. Niroborobo fatratra ny WISA noho ny fitiavan'ny tanora Malagasy ny filozofia nampianarina tao ary tafakatra hatramin'ny 5000 teo ny mpikambana ka nahatonga ny mpitondra tamin'izany nanafika ny kung fu fa natahorana ho fanjakana kely anaty fanjakana lehibe. Notafihina ny kung fu ny alin'ny 31 Jolay 1985 hifoha ny 01 Aogositra 1985, rava teo ny fikotranana tao behoririka fa samy nisitrika sy nihafina avokoa ireo mpikatroka rehetra tsy voasambotra tamin'izany nefa tsy nanakana azy ireo hanohy ny hetsika ara-batana mangingina izany. Ankehitriny mbola mijoro foana ny kung fu na dia teo aza izany rehetra izany. Mandresy mandrakariva
Salama daholo,Efa dia mandroso dia mandroso tokoa ito kolotsaina Geek ito eto Madagasikara ary dia efa maro tokoa ny olona azo antsoina hoe Geek gasy, betsaka moa ny olona passionn‚s amin'ilay tontolo ka dia namoronana emmission amin'ny TV mintsy ara ho azy ireo, efa nisy ihany taloha ireo evenements natokana ho azy nefa dia miroborobo tokoa izany ankehitriny. Ary mivoatra sy mivelatra hatrany koa ny malagasy amin'ny sehatra maro toy ny ara technologika (resaka web,sns...) ary tsy mitsanga menatra manoloana ny vazaha.Mba misy Geek ve ato amin'ny Forum? :)
Miarahaba,mba tiako ampita eto izay hevitsika mikasika ny fady @malagasyohatra : -tsy mandaka rindrina fa mahafaty renibe : tian'ny ankizy ny renibeny ary tsy fony saingy ny tsy handoto rindrina na hampirodana azy no tanjona-tsy mamoka vola/fako @hariva: araka ny lamina araboajanahary ny biby rehetra dia managona ny atoandro ary vizaka ny nanagona ka tsy andeha ho ariana izay nisasarana -vehivavy bevohoka tsy mahazo madika famaky : satria raha ho voahitsaka ilay taom-pamaky dia ho voa ny lohan-jazaiza koa no mahita = manantena ny fandraisan'anjarantsika fa tena miandry hevitra tsy takatry ny tena
Mpanoratra no nahafantarana azy kanefa mba liana ny tenako raha nanao tononkalo koa i E.D Andriamalala.
manahoana daholo,mitady olona mahafehy tsara ny fampiasana pendule aho , eto Tana. Misy fanontaniana ilako valiny manko dia ny pendule no azo atao ihany koa amantarana ny valin'ny zavatra tiana ho fantatra.misaotra betsaka
Salama daolo,sao mba misy mahalala ny toerana misy ny Librairie de Madagascar eto Tana , le teo @ Arcade Analakely,fa ef tsy eo intsony manko izy io kanefa mba nisy document hovidiako zay tao,de misaotra mialoha.
vao avy nankalaza krismasy zao ny kristianina sasany, iza avy ireo fiangonana kristianina tsy mankalaza krismasy dia inona no antony?inona avy ireo tsy itovian'ny fiangonana kristianina?