image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 5

Miarahaba tompoko.
Manoratra ato aho fa mba mangataka toro hevitra
Izao raim-pianakaviana 35 ao. Manana zanaka 3.

  • tsy mifoka aho, tsy misotro, tsy miloka
  • mbola tsy nampirafy efa 10 taona no nivadianay
  • manana asa tsara aho ary tsy misy olana ara-bola loatra izahay. Cadre superieur aho taloha ary nanangana orinasa taty aoriana mba ahafahako manam-potoana sy mijanona an-trano mikarakaraka ny zanakay satria

misy anakiray amin'izy ireo mila eductaion specialisée.

  • ny vadiko tsy miasa fa mitaiza
  • raha ny fahalalako azy tsy mampirafy izy fa rehefa misy manadala aza izy any ivelany any dia ifampiresahanay.

Ny olako:
Izaho tena tia ny ankohonako. Ny ankabeazan'ny lehilahy namako manan statut social toa ahy juste mitady vola dia izay...Izaho an-tsitrapo isan'andro mikarakara manantitra mpianatra, mitady sy mividy kilalao, mitondra azy mandeha dokotera sy manao traitement, sns. Zara raha matory ihany koa aho ny alina satria maditra alina ny zanakay iray ary izaho no tena mitaiza azy fa mbola misy zandry kely izy dia iny indray ny reniny no mitaiza azy. Tsy maintsy misaraka chambre moa izay fa ilay zaza iray somary agressif de manaitra ny hafa foana.

Mafy ny asako ary vao maika mafy miapy fitaizana fa izaho tsy mitaraina loatra satria tsy fombako izany. Tsy mila doka hao fa mba olombelona ihany dia mahatsapa hoe vadiko ohatrany tsy tena mahatsapa izany fa ohatran'ny variana be izany. Azoko hoe reraka koa izy fa tsapako hoe mihevitra izy fa zavatra normal ny ezaka hataoko.

Ny sakafo ataony matetika tsy tiako ary efa mitaraina aman-taonany maro aho fa tohizany foana. Ny vola omena azy @ sakafo tena betsaka... Misy zavatra ataony @ fitaizana zaza tsy mety amiko efa an-taonany maro fa ataony foana toy ny hoe omeny bonbons tena betsaka sy hanina mankarary à long terme ireo zaza. efa miteny foana aho ary manaiky izy fa ny ampitso averiny ihany.Ohtrany manana impression aho hoe tsy mi proteger ny zanakay izany izy na dia hita aza hoe manao ezaka. Ohatran'ny hoe ilay programa fitaizana misy manque ao an-dohany.

@ resaka sexe depuis taona maro tsy maintsy mangataka aminy foana aho vao mahazo ary raha betsaka in-2 isam-bolana. Marihiko fa tsy toy izany izy t@ izay mbola mpisipa fa mamay be.Humiliant ilay mangataka lava amiko indrindra hoe izaho mpampiantra sady tompona orinasa izany hoe tena maro ny vehivavy tsara tarehy sns miodikodina manodidina ahy ary miandry fotsiny. Milaza reraka lava izy @ resak sexe nefa misy fotoana marary ny havany vitany mikarakara azy ao an-trano ary mifoha in-3 isak'alina sns tena tsy mitaraina mihintsy izy.

@ resaka fiaraha-monina izy somary kamo ary mila motivena be foana vao manao zavatra.Raha misy maty dia valiany fotsiny hoe efa antitra izy e sns... Ny havako toy ny reniko sy ny anabaviko tena tia azy t@ voalohany fa efa hitako manomboka tsy tia azy fa hanaovany toetra tsy zaka. Izy koa moa ohatrany tsy te hahalala dia tsy tena manao ezaka sns.

Tsy hitako ny atao, ohatrany mahatsapa izany aho hoe raha hen'omby ritra ny tokatrano, ny taolana ihany sisa no mba azoko nefa miasa mafy @ lafiny rehetra. Efa manomboka miodikodina be ny saiko amin'izao. Mampalahelo ahy izy fa ohatrany tena tsy consciente @ toe-java misy izy. Raha ilaozako izy nefa mety hanenina ary hampalahelo toy izany koa ireo ankizy. Ny raiko in-3 nanambady , tsy tiako ny hanao toa azy na dia hitako aza hoe mifankatia be ireo vadiny samihafa tsy misy rivalité mihintsy ary ny ankizy tena mifankatia be aty aoriana na samihafa reny aza.Atahorako hoe efa anaty gène ako any izany resak izany. Izaho koa mantsy rehefa mafy loha izay dia tena tsy azo atao na inona na inona...Nefa maro ny toetrany tena marary ahy. Ohatrany misy feo ao anatiko miteny hoe ekena fa reraka koa izy @ fitaizana fa tokony manao ezaka izy @ zavatra hafa ankoatran'izay. Rehefa hampifaly ny reniny sy ny havany mantsy izy somary mahavita zavatra be dia be.

Miasaotra anao namaky ary manantena toro-hevitra raha misy.


Fanamariahana kely. Tsy ratsy fanahy izy, manan toetra tia manampy ny hafa izy ary tena tsotra be. Amiko vadiny fotsiny izy no ohatrany tsapako hoe somary tsy miraharaha loatra. Ilay fahatsorany no tena nitiavako azy sy nanambadiako azy fa aty aoriana ohatrany tsy tena ampiasainy amiko sy ny havako ilay izy. Ohatra hoe ny reniny dia mandratra azy matetika fa tena tsy sarotiny mihintsy izay. fa raha avy @ havako no manao faute kely tonga dia tsy misy pardon fa tezerany mafy.


Misaotra anao ZOKY BE. Tena mifampiresaka izahay ary matetika fa ny olana matetika izy miova @ resaka hifanarahana foana. Ohatrany tsy mazaka izy vao ny havany no mangataka zavtra na tsy mahasoa ny ankohonany aza. Matetika matsiaro toy ny tratran'ny trahison izany aho rehefa ataony an'izay. Izaho tsy anjely fa anisan'ny zavatra tsy tiako sy tsy dia ataoko ny mandainga dia marary be amiko rehefa andaingana sns.


Izao izany tsy mivaky loha lotra @ zavatra hafa fa kosa tena sarotiny @ resaka ankizy dia any foana anefa ao kitkitihany. Dia tena marary be amiko.


@Kotomaditra sy @Diniho Kely misaotra @ torohevitrareo. Tena misy isainana sady "riche" hoy ny vahiny ary ezahako ampiharina. Eto dia miala tsiny sahady aho @ ilay fanafangaroana teny gasy sy vahiny izany mahakamo ny mamaky azy fa io moa no manazava ilay hevitra haingana indrindra.


salama o
novakiako tsara ny olana anao. Ianao toa tsara fanahy loatra, mila omena cadre ny vehivavy toa ireny. Tokony miresaka ianareo, mba mandeha we irery ngamba dia lazao azy daholo ny tsy mety aminao. Lay fanambadiana ko ange tsy hoe mamy foana fa tsy maintsy misy zavatra mahakamo ao amin'ilay vady. Misy zavatra afaka hovaina, fa misy koa tsy mety. Teneno izy hoe tsy ianao irery nge ny vhv eto ambonin'ny tany, na mba avelao kely we izy irery sy ny ankizy dia ho hita eo ny fahaizany hikarakara ny rehetra ao antrano. Io koa mila hivavahana mafy mba hanampinan'ny Avo ny fianananareo, tsy irery akory rhf manambady raha be finoana fa misy an'i Kristy hitantana sy hanampy hampiova izay tsy mety ...andramo aloha nge e


salama o
novakiako tsara ny olana anao. Ianao toa tsara fanahy loatra, mila omena cadre ny vehivavy toa ireny. Tokony miresaka ianareo, mba mandeha we irery ngamba dia lazao azy daholo ny tsy mety aminao. Lay fanambadiana ko ange tsy hoe mamy foana fa tsy maintsy misy zavatra mahakamo ao amin'ilay vady. Misy zavatra afaka hovaina, fa misy koa tsy mety. Teneno izy hoe tsy ianao irery nge ny vhv eto ambonin'ny tany, na mba avelao kely we izy irery sy ny ankizy dia ho hita eo ny fahaizany hikarakara ny rehetra ao antrano. Io koa mila hivavahana mafy mba hanampinan'ny Avo ny fianananareo, tsy irery akory rhf manambady raha be finoana fa misy an'i Kristy hitantana sy hanampy hampiova izay tsy mety ...andramo aloha nge e