Argile verte”, miaro ny volo tsy hihintsana be…
Azo ikoloana tanteraka ny volo ny tanimanga karazany maitso, na ny « argile verte ». Mitsabo ny volo manana olana mantsy izy, toy ireo mihintsana, matavy sy mitera-menaka na manify.
Afangaro ny “argile verte” 3 sotro fihinanana sy ny rano mafana mba hanome paty matevina. Raha efa izay dia asiana lohamenaka “amande douce” na menaka oliva sy lohamenaka lavandy in-telo mitete azy. Afangaro tsara. Vontosana amin’io maska io ny volo efa nolemana mialoha. Alona 20 mn dia kobanina. Manome tanjaka ny volo ity maska ity no sady mampihena ny famokaran’ny hodi-doha angadrano.
Indroa isa-kerinandro no tokony hanao ity maska amin’ny tanimanga manaraka ity. Maka rano mahamay amin’ny vera, asiana dità (thym) ary avela ho matimaty. Esorina tao ilay dità dia afangaro amin’ny tanimanga izany avy eo mba hanome paty. Ahosotra amin’ny volo efa avy nolemana mialoha, alona 15mn izay vao sasana amin’ny “shampooing” mahazatra. Mandrindra ny famokaran’ny volo angadrano ity maska ity no sady mety ho an’ny volo matavy. Tsy tokony ho rano mahamay kosa no anakobanana azy fa ny tena idealy aza dia rano mangatsiaka, raha mahazaka izany.
Afangaro amin’ny rano matimaty ny tanimanga dia aroina amin’ny sotro hazo. Raha efa izay dia asiana lohamenaka dità indimy mitete sy lohamenaka voasarimakirana indimy mitete. Ireo rehetra ireo mifangaro no ahosotra amin’ny volo efa nolemana mialoha. Alona 20 mn vao kobanina tsara amin’ny rano sy sasana amin’ny “shampooing” mahazatra. Mampatevina sy manamandina ny volo makina kosa ny tanimanga nampifangaroina tamin’ireo lohamenaka ireo.
Afangaro ny vovoko tanimanga iray vera sy rano madio, mba hanome paty malefaka. Raha efa izay dia aparitaka amin’ny volo amin’ny alalan’ny tanana. Avela hilona 15mn izay vao kobanina tsara amin’ny rano be sy sasana toy ny mahazatra. Ity maska ity indray dia mampihena ny fihitsanam-bolo.