Misy milaza hoe tsy fitantara ny fiainanao fahiny (Passé anao) fa mety manimba ny tokantrano na ny cuople-nao ny fahalalan'ny ankilany an'izany. Ny ahy nefa rizareo tena mahafaly anazy mihitsy ny nitantarako izay jardin secret-ko izay. Tsy tena hoe passé niainako talohan'ny nahafantarako azy fa zavatra niainako fotoana fohy sy niserana tao anaty vie de couple-nay.
Tena nanana compréhension be izy nahafantatra izay zavatra izay ary vao mainka aza nampifankatia be anay ilay izy. Na misy ady be aza teo aminay, tsy mba mivoaka ny vavany mihitsy io zaridaina kely naborako azy io. Ny mifanohitra @ izay aza no misy hoe rehefa en moment intime izahay 2 dia eo izy no mampatsiahy kely an'io sady noteneniny hoe toa vao mainka manetsika ny filako anao ny zavatra efa niainanao.
Ny azy indray azoazoko antsaina ny passé-ny: Notantarainy @ ambangovangony fotsiny hoe passé tsy tena nadio saingy tsy mety mitantara @ antsipirihany izy ary izaho koa anefa sady te-hamantatra no tsy te-hamantatra.
Naleoko nijanona @ izao satria tsy fitadiavana aretim-po ity fiainana ity fa izay mahasambatra.
Ianareo ve misy toa ahy ?