image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 114

Tsy dia arakaraka izay nantenaina no nitranga rehefa tena nivady.
Fitiavana sy fiainana ohatra ny ahoana no nandrasanao t@ vadinao ka nahatonga anao ho tratran'ny fahadisoam-panantenana ?
Misokatra ny ady hevitra ho antsika rehetra sendra izany na te haneho ny heviny mikasika ny lohahevitra.
Mankasitraka mialoha ho an'ireo izay hamaly.


Izay izao resaka endrika ivelany fa misy koa toetra ratsy tsy navoakan'ilay novadiana mihitsy raha tsy efa tao anaty fanambadiana.


Ny ahy indray tsy dia tena hoe diso fanantenana. Effectivement ny fanambadiana dia fialana @ zone de confort nitaizana anao ho any @ zone de confort izay tokony efa nomaninareo nandritra ny fotoana fifampizahan-toetra (fotoana naha-mpisipa) raha nanana an'izay fotoana izay ny couple.

Nahalala couple koa anefa aho vao niaraka 1 semaine dia nanomana mariage. Saika tsy nino ny namana sy ny havana fa dia notanterahiny tokoa ary dia nateza tokoa ny tokantranony. 5 ny zanany ary hita ety ivelany hoe milamina ihany ilay tokantranony.

Marina koa anefa hoe misy ny olona mahay manafina ny toetra ratsiny fa nitetika fotsiny ny hahazo ilay ankilany ho vady (par intérêt ???) fa nony tafiditra vao tonga saina hoe tsy ho tafa ity fa toa hafa ny notazaniko avy any ivelany fa nony tafiditra dia hafa ny zava-misy. Eo vao tonga @ hiran'i Eagles hoe "You can check out anytime you like but you can never leave"

Ny niainako dia mi-découvrir défi rehefa ao anaty tokantrano. Ahoana ny fomba fiadiana hevitra @ io vadinao io ? ahoana ny fomba fijeriny ny havanao ? ahoana ny susceptibilité-ny rehefa misy havany toheriao sns... dia ianao koa mieritreritra hoe ahoana raha mifamadika indray ny toeranareo arakaraka ny situation misy.

Tsy évident ireo saingy ireo no raisinao ho défi. Raha maka re******* kely ianao dia ho hitanao fa misy azo raisina positif foana izany, mety hanova ny fomba fijerinao io nefa mety hanova ny toetranao ratsy koa ary mety hanova ny toetra tsaranao ho ratsy ihany koa. Tout est possible.

Ny tena important indrindra dia ilay fanafatry ny vavolombelona sy ny mpitondra fivavahana nanamasina ny fanambadianareo: Fifandeferana izay samy hafa be @ hoe fandeferana ka tsy maintsy hisy ny mandefitra ary hisy ny tsy mandefitra mihitsy.

Rehefa hay hatrany am-boalohany ireo dia hay foana ny mandamina izay olana, eny hatr@ izay karazan-javatra be dia be mety haharava ny tokantrano aza mety hanamafy orina ny fifankatiavana rehefa mahay mi-gerer an'io fifandeferana io


Natti >> tena marina ny tenin'i anonyme fa mba diniho tsara kosa aloha. Ny hanampiako azy fotsiny dia oe ny lahy no mitarika fa mba ifampidinihina sy ifanarahana daholo ihany kosa ny fanapahan-kevitra e !
Dad >> Manambany @ resaka harena ve ? sa fahaizana ?....Matoa izy nanambady anao d'efa tokony naharesy lahatra azy ny momba anao rehetra.Mila manitsy azy enao @ izany fomba fijery diso izany. Raha harena no olana,mila mahay mihary sy miara-mifofotra ny mpivady dia tonga ho azy eo foana io e !
Felantsoa >> Ny olana ange mazana ilay tsy fahatantesana ilay fiovana eo @ tontolo manodidina iainana mihitsy e ! Fiainana hafa no niainana h@ izay teo anivon'ny ray aman-dreny.Mety oe fiainana somary goragora sy diso nalalaka loatra,fiainana diso nirobaroba koa.Kanjo vao tonga ao an-tokantrano tratran'ny fifampifehezana mba ilaina ihany kosa mba hananana tokantrano vanona,na tratran'ny fiainana tsotsotra mba mitsinjo ny ho avy.Dia izay ilay miteraka fahadisoam-panantenana.


Dad >>> Ny asa angamba tsy misy oe tsy mihaja sy ratsy izany fa ny fanajanao azy ihany no hampidirany vola aminao.Ny hitako vahaolana angamba dia mila mijery asa mampidi-bola misimisy kokoa enao fa na ny vadinao aza mety mba hiova koa @ izay.


Dad >>> tsy dia azoko tsara ,,> mampirafy izy izany ve ?


Ny ahy efa prévisible saingy nantenaiko hiova fa tsy niova eh. Somary be be loha izay rehefa miady hevitra. Tsy manaiky diso, tsy azo kianina kanefa be fanakianana ny hafa. Indraindray rehefa tsy dia misy dikany dia aleoko mangina fa tsy te-hiady aho (satria tonga hatr@ ady be ny anay). Indraindray anefa valiako, ary ezahako valiana @ sangisangy zary tenany fa takany ihany hoe mamely ankolaka Ra-Vay dia tezitra ihany izy.

Hoy ilay pasiteranay izay hoe isika Kristianina samy milanja zioga toa ny Tompo daholo, Ny sasany zioga @ resaka asa, ny sasany @ resaka fiarian-karena, ny sasany ny vady ao an-tranony no tena zioga be, ny sasany ny zanany no zioga. Ny ahy izany io toetram-bady io no mba ziogako


Mitovitovy @ an'i anonyme io koa ny efa hitako.Faly ery ity vehivavy iray oe hanambady.Vao vita anefa ny raharaha dia nentin-drangahy hoe hiara-hipetraka @ zareo ity zaza iray lazainy fa zanany.
Ity farany izay tsy nampahalalana an-dramatoa velively ny fisiany.
Lasa ady lava foana araka izany ny tao @ ilay tokan-trano vao.


Misy indray koa rehefa ao an-tokantrano vao mipoitra tsikelikely ny fahasamihafan'ny fomba nitaizana sy nanazarana ny mpivady fony mbola tany an-tokantranon'ny ray aman-dreniny tany hany ka ,tsy maintsy misy foana ny mandefitra ary iny rehefa miverimberina dia lasa fahadisoam-panantenana nony farany.


Natti >>> Hitako mihitsy io sujet -nao mitady ny hevitr'ireo izay notezain-dreniny irery io. Amiko tsy maintsy misy banga foana ao @ zaza tsy voataiza teo anilan'ny ray sy reniny miaraka.Kanefa henjana be koa ny tsindry mahazo anao @ vadinao.Eritrereto tsara mihitsy aloha vao manapa-kevitra. Courage enao !