Lhl aho,azo lazaina fa bandy tena hendry nefa azon'ny fankampanahy niaraka t@ sipa (efa manambady) izay tena hendry ihany koa.Izay angamba lay fitiavana e, tena tiko izy ary tena tia ahy koa nad efa samy manambady aza izahay. Bevohoka rasipa ary tena fantatro fa zanako ilay zaza; tsy tiako hanala zaza izy dia nandangaiko hoe manana problem za fa tsy afa miteraka intsony Satria raha ny kajikajy natao dia t@ fotoana nanaovanay no nahalonaka azy ka nampipetraka lay zaza. Teraka soamantsara izy ary itako @ sary fa mitovy amiko tokoa ilay zaza nefa izy matoky ery fa an'ilay vadiny.Tsapako fa tena diso sy meloka aho ary te hamono tena mihitsy indraindray; tsy mba afa mahita na miaina miaraka @ lay zanako vao teraka akory. Ity izaho dia nahavita namitaka ny vady amanjanako koa no tena mampalahelo ahy,tena tiako izy ireo ary ny vadiko tsy mba hanampo velively hoe nahavita zavatra toy izany aho. Tsy afeniko fa tena nanenina aho. Fa ny taranako ny ahy tiako daholo ka mety ve raha any aoriana any lazaina ny tena marina?