image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Tapany 1 : TONGA SOAEfa taona maromaro lasa izy ity no nitranga. Niasa tamin'ny faritany iray izay mbola tsy nalehako mihitsy aho. Tsy nisy olona fantatro na dia iray aza fa niezaka naka namana tsikelikely ary natomboka tamin'ny tao ampiasana mazava ho azy. Fanaonay tamin'izany ny miarakaraka mivoaka rehefa avy miasa amin'ny 5 ora hariva iny dia samy mody avy eo.Efatra izahay no tena miaraka matetika, misy bandy 2 lahy, madama iray dia ny tenako, rehefa nandeha ny fotoana dia arako fa miaraka ny ilay bandy iray sy ilay madama na dia tena niezaka fatratra ny hanafina aza ry zareo. Ilay madama moa matetika mitondra ny zandriny rehefa mivoaka alina izahay, ary vao nahita io zandriny io voalohany aho dia tena taitra avy hatrany na ny foko na ny filako, tena ao amin'ny ilay tena ilako azy : metisy sinoa ry zareo, somary botabota ?ronde? hoy ny fitenenana, tsy matavy be kosa nefa fa tena bien proportionné, ny molotra fisaka sady toa mitsiky izany foana, Annie no anarany. Izy koa moa dia hitako fa somary taitra raha vao nahita aho voalohany fa tsy haiku izay tany an-tsainy, na dia Leonado Dicaprio moa ny tena dia maro ihany no vaky vava fa tsy ratsy ary misy bika tian?ny vehivavy.Teo dia efa masaka tao an-tsaiko fa ho karakaraiko ity sipa ity. Kinanjo, hay miaraka amin?ilay bandy iray ihany koa hono izy, inona moa izany fa dia aleo mionona fa bandy mpiara-miasa hita isan?andro ve no ho rafiana, tena tsy mety amin?ny fisainako.Indray andro nisy mpanakanto malaza avy any Tanŕ tonga hanao Cabaret tany amin?ilay fatitra, samy nilaza fa andeha daholo ny tao ampiasana. alohan?ny hirava anefa dia henoko ilay bandy mpiara-miasa amiko mifamaly be amin?ny finday, voavinavinako avy hatrany tamin?ny resaka nataony fa i Annie ilay miresaka aminy. Tsy dia nidirako lalina anefa na dia nanomboka nitsiry ny sain-dratsiko hoe aleo amboarina amin?izay zany izy fa efa malalaka ny lŕlana.Teny an-dŕlana hody anefa aho dia nisy niantso ary akory ny hagagako fa niantso ahy i Annie, tsy nanome ny numéro-ko azy anefa aho!Annie : Allo, i Annie ihany ity, handeha ve ianao rariva amin?ilay Cabaret?Izaho : Oui, andeha z aka, fa aona?Annie : Tsy izany fa nifamaly izahay sy i Hery (ilay bandy mpiara-miasa) dia milaza tsy andeha izy nefa za te andeha fa tsy tiako le miaraka amin?ny zokinay. De?Tonga dia azoko an-tsaina fa te-hiteny amiko izy hoe hiaraka amiko andeha any amin?ilay Cabaret. Ka tonga dia notapahiko ny teniny fa hitako izy sadaikatra ny hiteny mivantana.Izaho : Tsy maninona fa alaiko any ianao dia miaraka isika mande raha mety aminao.Annie : Tena mety izany raha tsy manahirana anao, amin?ny 8 ve mety?Izaho : mety tsara izany.Annie : Super, ŕ toute !Tsy andriko ny nahatongavana tany an-trano, niomana, somary tonga aloha kely aho. Niandry 15mn teo dia iny izy nivoaka ny tranony. Fa tena mbola tratran?ilay fahatairana isan-karazany nahazo ahy tamin?ny vao nahita azy voalohany indray aho nahita azy, na ny fiakanjony, ny tarehiny ny bikany? Hmmm? ahy ianao androany hoy aho any an-tsaiko any. Niakatra tao anaty fiara izy dia lasa izahay. Dia nandeha ny resaka ara-pahalalampomba, inona ny vaovao sy ny sisa. Somary lavidavitra ilay toerana aleha ka nisy fotoana hiresahana tsara.Izaho : Dia ahoana raha hitan?I Hery aty isika sy ianao.Annie : Tsy misy olana izany fa izahay anie tsy miaraka e! mpianamana izahay dia izy misisika be hoe iaraka nefa tsy genre-ko mintsy izy.Izaho : Hay ve e?Mody tsy taitra aho teo nefa ny hafaliana amin?io efa tsy omby tratra. Na izany aza anefa dia mbola dia tsy nieritreritra ny hikorapaka mintsy za teo fa hoe aleo Alefa miadana ihany satria mbola tsy hay mihitsy izay mety ho fihetsik?i Ra-Hery.Tonga tany amin?ilay toerana amin?izay, naka toerana, niray latabatra tamin?ilay zokiny sy ilay bandy miaraka aminy moa tao. Nadeha ny fampisehoana, afaka kelikely iny Ra-Hery efa mamo be tonga nanantona teo dia nibitsibitsika an?i Annie sady nisintona ny sandriny moramora toa misarika azy hivoaka any an-tokotany angamba. Tsy nety anefa i Annie satria nahiliny ny tŕnan-dra-Hery.Dia nanantona ahy indray i lery dia hoe andao hono ivoaka kely hifoaka sigara miaraka aminy sady misy resaka tiany hatao hono. Nano fihetsika nanondro tany ivelany aho mba ahalalan?ny rehetra teo amin?ny latabatra nisy anay sy i Annie fa ivoaka any ivelany aho. Sady ra-Hery koa moa tena efa mamo be ka sao higafy eo.Dia lasa izahay roa lahy nivoaka. Tonga tany an-tokotany dia nolazainy fa tena leo be hono izy amin?i Annie fa misisika hiaraka aminy nefa tsy tiany.Hery : Iny lesy amboary raha reven?ialahy fa sady izy hitako mijerijery an?ilahy izany.Izaho : Mety amiko iny ka, fa noheveriko fa hoe anie miaraka nareo eHery : Tsy tia an?iny lesy za fa mpinamana fotsiny izahay efa hatrany am-pianarana aLasa ihany aloha ny saiko hoe iza no tena milaza ny marina, i Hery sa i Annie fa tsy dia nohoaka loatra anefa fa ny zava-dehibe izany hatreto dia hoe tsy miaraka ry zareo.Niverina niditra moa aho avy eo ary ra-Hery hono andeha hody. Vita ny fampisehoana. Vao nivoaka anefa izahay dia efa teo amin?ny fiarako ra-Hery no miankina, tsy nahita Taxi hono izy fa mba aterina mody koa. Nifampijery izahay sy i Annie dia nampidirina ihany moa izy.Tsy dia nisy resaka firy teny an-dŕlana. Inona moa izany fa tsy dia samba ny fotoana tokony nampiresahana an?i Annie teny an-dŕlana fan a izany aza anefa tsy nieritreritra ny itondra azy hody any an-tranoko aho io alina io fa na izany aza nanantena ny ampidi-dresaka.Raha ny lŕlana tokony ho izy dia i Annie no aterina voalohany saingy rehefa hivily amin?ny lŕlana mankany aminy :Annie : Aleo aloha i Hery no aterina voalohany fa izaho mbola tsy te hody kaHery : Fa andeha ho aiza ianao efa alina be izao ?Annie : Inona ary no idiranao amin?izay alehako any e ?Izaho : Tsy olana izany fa ateriko izy avy eo.Naterina ra-Hery nony tonga teo aminy dia mbola saiky tsy hiala izy fa hoe aleo hono hiaraka mody ao aminy i Annie, nody ihany moa izy avy eo rehefa noresena lahatra teo hoe mandehana matory fa efa mamo. I Annie moa nitokona tsy niteny sady nihenahena tao anaty fiara fotsiny.Niainga teo dia lasa nitodi-doha hiverina hanatitra an?i Annie indray, kinanjo :Annie : Tsy aleo ve tonga dia any aminao isika no mody fa tsy te handondona ao aminay intsony za amin?izao lera izao.Izaho : Hay, Tsy olana ka.Sady efa faly ihany aho amin?io hoe tena mandeha ho azy ny zavatra rehetra.Tonga tao an-tranoko.Annie : Tena mila douche izaho hoy izy.Natoroko azy ny douche, dia lasa aho naka serviette iray ho azy, ny foko amin?io mibitabitaka ihany sady matohotra koa nefa sao dia nofy ity zavatra mitranga fa tsy tena fiainana....Hitohy (Raha mahaliana anareo ny tohiny -? )