Salama, Mba manao ahoana kay ny vola azo amin'ireny annonce google apetraka amin'ny site web ireny raha ny eto Madagasikara?Raha ny fahalalako azy dia miankina amin'ny click amin'ilay pub napetraky google ao amin'ilay site no idiran'ny vola amin'ilay tompon'ilay site. Nefa matetika ny annonce itako, raha misy, tsy dia be de be manao ahoana; ary raha mahita aza dia annonce vazaha daholo no tazana (raha ny fantatro tsinona dia mijery ny géographie misy anin'ilay visiteur koa google, noho izany dia vola kely no omeny amin'ny tranga sasany).Sa ve ny annonceur gasy no tsy dia miditra amin'izay endrika publicité izay?Sa ny mot-clés nampiasaiko tamin'ny recherche google no tsy misy ifandraisany amin'ny annonce misy any ho any?Misaotra mialoha