image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Salama tompoko,miala tsiny raha somary lavalava ny soratra, misaotra antsika maharitra mamaky. Lehilahy izaho no manoratra. Miaraka amin'olona efa 2 taona zay, ny dada sy maman'ilay sipako moa efa maty fa tany amin 'ny zokiny izy no nipetraka teo aloha teo fa nisy olana b sy fifamaliana tamin zareo dia nangataka ipetraka iaraka amiko izy mandrapahitana solution, nanaiky moa aho na dia mbol tsy vita nininona aza izahay, satria izaho mipetraka irery fa ny ray amanreniko any am faritany, Izy moa tsy mbola mianatra fa miandry fidirana eny ankatso @ volana martsa ka mijanona miandry ahy ato antrano izy fa izaho no mande miasa.Manana namana izy, fa tsy d tena oe akaiky be azy fa ny ataony dia ao antrano foana mi surf sy mijery tv amzao d mikarakara ny trano. Misy cousin-ny izay iany no mpandalo ao indray2, marihiko fa io vehivavy io dia olona manaja ahy, mivavaka ary tsy tia resaka somary "salé" reny fa tena anariny enao raha vao miteny na miresaka otrzany, ary raha misy namany ao am fb mitady hanadala azy avy atrany dia blokeny. Asehony ahy mihitsy zany hoe olona atokisana izy ary tsy hamitaka ahy fa azoko atokisana tsara. Ny olana anefa dia misy miresaka @ ray amandreniko sy ny fianakaviako hoe aza avela manambady an io ny zanakareo fa olona maditra b io, ty lehilahy, sns. Araky ny voalazako tery ambony dia misy cousin any mandalo ndray2 ao mamangy azy, izay mitovy taona aminy, ndray2 tratrako ao antrano fa matetika moa efa lasa izy fa noteneniny ahy fotsn oe nandalo teo i xxx, ay ve hoy aho, izaho dia matoky azy hatrany. Dia misy mpanampin' olona eto akaiky eto ndray koa amzao milaza fa mahita azy sy io cousin any io avy eny am tranon zareo mifamihina ato atranoko ka milaza io mpanampy io fa oe tsy cousin any io fa tena sipany, ka tsy aiko raha mandainga io olona io milaza mahita an zany na tena zaho no jamba diso mahatoky loatra, fa dia tena marina anefa fa cousin any io, ary raha ny toetrany sy ny fietsiny dia tsy manao anzany mamihina azy zany mits refa eo za. mbola tsy ananako porofo mazava aloha ny zvt otrzany fa ny hitako dia ny toetrany tsara miaraka amiko atramzay sy hoe olona mivavaka. Ka mba mangataka torohevitra aminareo zaho raha mba misy manana tompoko, hoe tokony alefako mande ve izy nefa raha zany d tsy ho hitako ny tena toetrany satria vao maika any am tsitan'olona any, dia ahoana no fomba tena ahitako ny marina momba azy, misaotra tompoko.


Jereo tsara kosa aloha fa ny manodidina koa anefa rehef tsy metimety aminy izay dia mahita zavatra lazaina foana na dia fihetsika kely fotsiny aza dia miova ho negatif ny fisehonjavatra. Jereo tsara hoe ohatrany ahoana ny toetetran'ny manodidina anao, ny quartier misy anareo fa matetika mahita hevi-diso foana ny manodidina hany ka maharatsy endrika olona iray. Noho izany ianao irery ihany no afaka manaporofo izay zavatra misy fa aza miankidoha amin'ny manodidina, Jereo aloha io camera io raha misy possibilité


Raloum> Salama, raha ohatra mora hita ny camera d enregistreur son atao amban canape na amban fandriana. Mampalahelo no mahena an zany tantara izany, satria izaho koa tratran karazan'izany.


Raloum aaa . fetsy be ry lety ny sipa fa tsy jerena am zany oe mpivavaka sns zany a. Izy zao miteny am le bandy any oe ao am cousin (ela io) izy no mipetrakaPeo lety de soloy refa voky tsara ela a


Manin raha fantarina aloha hoe inona n nialany tan am zokiny, sao tratra nanaonao foana tao d bedy d voaroaka. D any aminao izy malalaka tsara manao zay revy tiany :) zah d vehivavy fa tsy mbola nisy cousin-ako nanafika tampoka izany aho. Na zareo miaraka bdb na tsis mandalo izany akory... sady io na tena cousin aza, n hitan manodidina dia hoe mampiditra bandy an-trano sipa surtt ref lasa enao. D zan n feo tonga any amn RR-nao. Fa na inonany io bandy io na inonany ts mety zan mampiditra bandy antrano zan nefa tsis olon-kafa ao. Ary enao koa anie tokony hametra-mpanontaniana hoe fa manin ref enao ts eo vao manafika ao le bandy fa angah izy tsy afaka mamangy anareo ref week-end. raha madio fiasainana aloha d tokony izay eh. Fa courage eh,


nounoussy > Tsy tratra nanaonao foana izy tany fa otrany le miady2 matetika reny d farany leo ny anakiray ngamba, @ ny maha zoky sy zandry azy.Manodidina > marina koa ny teninao hoe ny manodidina mety mamorona ka zay no mah sarotra azy, ny manodidina anay teo aloha tena tsy tia azy raha zay no azo ilazana azy ka misy fotoana mamorona na manitatra na dia zavatra tsis dikany aza Efa niverina any am lay zokiny izy amzao dia tsy afaka nanao an le resaka cam mitsy lo zany fa d miaina am fahatokisana sisa, fa ny tena marina tsy misy zavatra afaka afenina ela be zany fa raha misy ratsy ataony inoako fa tsy maintsy ipoitra eny, hatramzao lou ny masoko tsy mbola nahita nininona ary tsy nahare zavatra hafahafa intsony fa dia miandry ny mety ho tohiny eo, tsy maintsy miezaka mandroso foana anefa, mankasitraka antsika rehetra am famaliana e


Za manana cousins tena mifankatia @ko fa ts handalo hamangy ana matetika zany! tsy possible fa ko raha tsy misy atao izy ko!mifohaza r'se fa ampiesoin'ny olona fotsn! na mpi-cousine aza ve de ifamangy matetika zany?