image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

5 taona zay no nivadianay, za manana asa raikitra fa izy lasa miasa tena satria efa ho 3 taona zay izy no nitady asa fa tsy mety tafiditra mitsy, tsy mety @ sainy mitsy lay hoe tsy miasa, moa lay asa-tena ataony tsy mahafa-po azy koa satria ndraindray ihany vao mampidi-bola Hatrizay izy no mitantana ny vola ao an-tokantranonay, dia napetraka tany aminy mitsy ny carte bancaire ko dia izy no maka vola rehefa misy ilaina ao antokantrano, tsy nampaninona ahy lay hoe izy no mitantana ny vola, mba tiako koa hoe izy no mitantana azy eny fa na lehilahy aza, sady amilay izy tsy miasa dia mba iny no tiako hoe hananany ny role chef de famille dia izy no mi gérer ny dépense nay T@ herinandro nefa mba nila vola kely za, dia niteny taminy, dia nanontany izy hoe ho atao inona, dia mba niteny taminy za hoe tsy tiako hoa rehefa vola kely no mba angatahako na ividianako silipo fotsiny aza dia tsy maintsy hiteny azy foana, otrany lasa miera zany nefa za mba miasa ihany Dia ny nandraisany azy hoe za hono miasa dia zay anaovako ny volanay, nefa tsy izany mitsy lay tiako nampitaina Dia nanomboka tamin'io fifamaliana io dia naveriny taty amiko lay carte bancaire, dia manomboka zao hono hifampisasahanay daholo ny dépense ao antokantrano rehefa manambola izy, na 1000Ar aza dia ifampisasahana, lasa hoe samy manana ny volany zany dia samy mitantana ny azy fa samy mandoa ny charges an-tokantrano 50/50 Ny fomba fisainako nefa hatramizay niasako dia hoe ny vola raisiko tsy ahy irery fa anay telo mianakaDia zay no mba tiako hanontaniana anareo hoe ahoana ny fomba fitantananareo ny vola ao an-tokantrano?Miala tsiny fa lava be


Raha ny tena marina dia ianao vehivavy no tokony hitantana ny vola (eto aloha dia mbola eken'ny rehetra satria fiainan'ny ankamaroan'ny tokantrano)Saingy ny decision kosa amin'ny famoaham-bola extra-budget familial dia tokony ieranao aminy (teto ianao ilay nahatsiaro ho hafa2 )Ary na "tsy miasa" (tsy mampidi-bola) aza izy, dia tokony mbola ho izay hatrŕny no fitantŕnana ny fiainan-tokantrano "Kristiana" iray.(Misy dikany avokoa ireo guillemets nataoko ireo.)


Misaotra anao namaly.Marina tokoa lay voalazanao hoe @ raha fiainan-tokantrano "kristiana" dia ny vehivavy no tokony hitantana ny volaAmin'ny maha-tokantrano nahorina teo anatrehan'Andriamanitra ary dia heveriko fa izy no tokony hamelona anay mianaka, nefa moa ny zava-misy amizao fotoana tsy ahafahany hoe izy daholo ny hisahana ny dépenses rehetra, sady amiko matoa aho nomen'Andriamanitra asa dia misy antony izay Noho ny fitiavako azy sy ny fahatokisako azy no nanomezako azy hitantana izany, ekeko nefa hoe mety diso hevitra aho nanao izany matoa lasa nisy io olana ioRehefa nifampiresaka zahay satria tena tsy mety @ saiko ilay hoe hifampisasahana daholo ny charges rehetra, dia nanapa-kevitra hoe samy hametraka ny vola zay ilaina ao an-trano fa samy mba hitazona zay vola mety ilainy kosa, tsy voafaritra nefa hoe ohatrinona no hotazomin'ny tsirairay Izaho koa moa tsy te hanery azy anome ahy ny vola rehetra zay azony ho tantaniko miaraka @zay vola azoko, satria tsapako izy hoe te hitazona ny apahan'ny vola zay azonyTsy fantatro hoe mety hanao ahoana ny tohiny zay fanapahan-kevitra noraisinay izay, fa apetrako amin'Andriamanitra mba hilamina tsara sy tsy hitarika olana hafa intsony


bonjour!Nisy fotoana ko ny vadiko tsy niasa fa izaho (vehivavy) irery no niasa, dia t@ izany fotoan aizany, na tsy miasa aza izy dia izaho foana no mitantana ny vola ka hatr@izao izy efa miasa izao, vola argent de poche no omeko azy. raha misy vola hafa ilainy (oh: fanamboarana fiara dia miteny amiko izy). ny karamanay mitonton ao @ compte -nay miaraka.


Manontany hevitraadinon'ise sahady angaha ny lesona nomeko anareo ,na inon kidona na inon kihantra a dia hidina mafy foana ny poketra ,na ny andaniny na ny ankilany ,fa raha tsy izany tsy tafavoaka .


Manontany hevitra >>> Miala tsiny fa izao indray vao tafaverina eto, niresaka tokantrano kristiana aho namaly anao, saingy ampahany fotsiny @ tokony hatao io noresahako io, ny tena manahirana ny mpivady, na samy "miasa" daholo aza rangahy sy ramatoa, dia toa mitady tsy ho ampy 'zany foana ny toe-karena fa mijotso arakaraky ny fandehan'ny fotoana .Eo indrindra ilay noresahako oe: Na ianao vehivavy aza no natao hitantana ny vola, dia tsy afaka mandray "décision" hanao fandaniam-bola hafa ankoatra ireo dépenses courantes ianao, raha tsy mahazo feu vert @vadinao (eny fa na dia tsy mampid-bola aza izy), izay ilay voasoratra hoe : ianareo vehivavy maneké ny vadinareo (fa tsy mitombina @resaka "hafa" izay iheveran'ny maro azy akory ity verset ity)Ny tokony hatao hafa izay efa hain'ny rehetra, dia ny fanokŕnana ny an'Andriamanitra @izay "tombom-barotra"isan'andro/isankerinandro/isam-bolana (tandremo ny voasoratra ao @Hagay 1:9)Ary farany, ny fanoloran-tena no fanatitra (Romana 12:1) ka aoka ralehilahy (satria tsy misy Jodasy vehivavy) tsy hangalatra fanatitra fa mampamono tena azy ny fiafaran'izany (izay ilay hoe toa mihasahirana hatrŕny nefa samy miasa 'zao), Jodasy no mpitondra ny kitapom-panatitra dia mangalatra ny ao anatiny, namono tena ny fiafarŕny (Raha mangalatra io tenanao io hanao zavatra hafa koa 'zany ianao ralehilahy, dia lŕlana mankŕny @alehan'i Jodasy no alehanao)Efa nazavaiko 'zay ny famantŕrana ilay hoe : izay miara-manatsoboka ny mofo @Kristy anaty kapoaka (Marka 14:20) no izy.Tsy tantara efa lasa ny baiboly fa fiainana ankehitriny sy ho avy koa.Mitadiava ny fiainana dia ho velona hianareo.


METY AHAZ0ANAO IPHONE ITY PEJY ITY

ITY JERENA RAHA TE AHITA HOE AHOANA NO ATAO AHATONGAVANA MILLIONNAIRE.

=== https://bit.ly/FANADIHADIHANA_ARABOLA