image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 15

Salama daholo o,
Heritaona ohatran'izao (09 Mai 2020), no nangataka toro-hevitra tato amin'ny groupe ny tenako fa vao avy nisarahan'ny olon-tiana, 2 taona niarahana, satria hoe tsy mitovy saranga.
Saika hisaotra antsika rehetra nankahery sy nanoro hevitra ahy fotsiny aho satria tena nanampy be ahy ny fanohananareo.
Heritaona tokoa izay, somary mbola mahatsiarotsiaro azy ihany fa na izany aza efa mba matanja-tsaina noho ny teo aloha.
Mankasitraka indrindra tompoko


@@@ : misaotra indrindra o, tena nahazo lesona tokoa tamin'ny zava-nitranga ka iezaka ny itandrina tsara amin'izay :)


HeryR : mankasitraka o, sarotra tokoa vao tonga tamin'ilay fanekena fa hoe tsy mety fa aleo mifampi-tso-drano (tsy mety mionona ny fo), saingy tsapa fa ny ankilany ary tsy vonona ny hanao ezaka, dia teo vao tapa-kevitra fa aleo mionona sy mitso-drano azy.


Mampahery : Tsy misy fisaorana tompoko. Mandeha miadana ilay fahasitranana. Sarotra tokoa ny manadino tanteraka, indrindra fa hoe lavalava ny fotoana niarahana, fa tena marina tokoa ilay hoe ny fotoana no manampy. Mila ezaka kely avy aminao ihany koa ilay izy. Afaka mifampizara toro-hevitra isika raha toa ka mahaliana anao. Mirary soa tompoko.