image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 15

Mba mangataka toro-hevitra amintsika svp.
Vao avy nisarahan'ny olon-tiana fa hoe tsy mitovy saranga izahay ka tsy mety amin'ny Ray aman-dreniny; 2 taona niarahana anefa izahay; vehivavy 27 taona aho. Niteny azy foana aho ny amin'ny fampihaonana ny RAD roa tonta, fa toa tsy nety tanteraka mihintsy ilay izy, avy aminy ny antony tsy nahatanterahan'izany. Vao haingana teo vao nanambara mazava izy fa hay resaka saranga ny tena antony. Kepoka ihany ny tena. Tsy anjara hoy ny olona manodidina ahy izay mankahery. Miezaka mandresy lahatra ny saiko amin'izany aho, hoe tena tsy anjara marina ny anay matoa tsy tanteraka, kanefa mafy amiko ihany ilay izy. Tsy maintsy tafieritreritra anazy foana ihany aho. Mba mangataka toro-hevitra avy amintsika fa tena diso fanantenana tanteraka tompoko


Misaotra anao namaly sy mampahery.
Eny, tsy fitoviana saranga ara toe-karena ilay izy, zareo azo lazaina hoe fianakaviana ngetroka, izahay tso-piaina.
Efa nanana olon-tiana tso-piaina hono izy taloha, araka ny nambarany, fa dia rava noho izany resaka izany. Lehilahy 35 ans izy. Sarotra hoy izy ilay izy satria ny tso-dranon'dRay aman-dreny zava-mahery, nefa hono tena tiany aho.


Misaotra tompoko,
Raha ny fahitako azy tsy dia resaka paozy loatra angamba ilay izy fa resaka hoe degré fianarana iray (za hatreo am licence ny diplôme-ko, fa izy rehetra zanaky ny RAD-ny azo lazaina fa nivoaka ingénieur daholo na vavy na lahy), resaka image faharoa (fianakaviana narcissique no azo ilazako an'izy ireo)


Inah, AZA KIVY : Misaotra betsaka anareo, tena manampy ahy tokoa izany hafatrareo izany, ary tsapako fa marina tokoa. Raha tena fitiavana n'inon'inona olana dia tafavoaka foana tokoa. Efa miezaka ny miarina tsikelikely, misaotra anareo hatrany


Mankasitraka be dia be antsika rehetra nampahery ary nanome toro-hevitra indrindra indrindra. Eny, tena nandini-tena tokoa nanoloana iny zava-nisy iny, ary mahatsapa fa misy tokoa ny lesona azo notsoahina. Mafy tokoa ilay mikosoka ny zava-nisy rehetra, saingy tsy manary toky fa miezaka ny mitraka hatrany ary miankim-po amin'Andriamanitra. Mamerina ny fisaorana ho antsika rehetra tompoko.


Mankasitraka Dadatoa Be


Nenina : Mankasitraka indrindra anao amin'izany toro-hevitra sy fampaherezana izany.
Efa miezaka ny mitraka foana hatreto fa mbola mafimafy ihany
Manankina ny fiainako amin'ny ao ambony aho mba ahafahako mikatraka tsikelikely,
misaotra betsaka


Kalie, Lebone : mankasitraka anareo amin'ny toro-hevitra tompoko.
Miezaka ny mandroso hatrany tokoa, fa na dia efa 2 mois ary izay ilay fisarahana dia mbola somary misy sentosento madinidinika kely foana ihany eny an-tsefatsefany eny.
Miezaka ny mitraka hatrany hatrany
Mankasitraka indrindra amin'ny toro-hevitra fa tena manampy tokoa.